Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

02 Novambra 2012

Tantara tamin'ny 02 Novambra 2012

Mpisiokan-tseratsera efatra no indray nosamborina tany Bahrain

GV Mpisolovava

Araky ny fanambaran'ny Ministeran'ny Atitany any Bahrain dia “olona efatra no indray nosamborina noho izy ireo nampiasa vilana ireo Tambajotra Sosialy.” Raha vakiana anefa ny tatitra [en] dia tsy tena mazava loatra izay heloka anaovana fanoavana azy ireo – “fanalam-baráka olona sangany amin'ny alalan'ny Tambajotra Sosialy.” Ireo Mpisiokan-tseratsera Ali Al-Haiki, sy Abdullah Al-Hashimi, sy Ali Mohamed ary Salman Abdullah...

Hetsika manompa no navalin'ny ministry ny fiarovana Frantsay taloha fanontaniana momba izay fiaken-keloka mety hataon'ny Frantsa mikasika ireo herisetram-panjanahantany tany Alzeria fahizay

Mpanorina Vondrona Mpitolona Voarara Ao Pakistana Manolotra Fanampiana Ho An'i Etazonia

Tanaty hatezeran'ny maro, i Hafiz Mohammad Saeed, mpanorina ilay vondrona mpitolona voarara "Lashkar e Taiba (LeT)" sady lehiben'ny "Jaamat ud Dawa (JuD)" dia nanolotra antontam-panampiana tsy hita noanoa ho fanampiana noho ny maha-olona ho an'i Etazonia mba hiatrehana ireo fahavoazana.

Pakistana: Voaroaka Tao LUMS ny Dr. Pervez Hoodbhoy

Noesorina tao amin'ny LUMS (Oniversite Lahore momba ny Fitantanana Ara-tsiansa) ny Dr. Pervez Hoodbhoy, maintimolalin'ny MIT sy fizisiana ambony fanta-daza. Tsy hohavaozina amin'ny fe-potoana manaraka ny taratasim-pifanekena arak'asan'ny Dr. Hoodbhoy izay tokony hanomboka amin'ny Janoary-2013. Nanjary vaovao malaza tao amin'ny Twitter ny taratasy fifanekena arak'asan'i Dr. Hoodbhoy. Fijerin'i Dr. Hoodbhoy Tao...

Nijanona Tsy Nilalao Ady Totohondry Ilay Tajikistana ‘Million Dollar Baby’

Nijanona tsy nilalao aditotohondry mandritra ny herintaona farafahakeliny i Mavzuna Chorieva, “Million Dollar Baby” ao Tajikistan izay nampahazo medaily alimo ho an'ny fireneny tamin'ny Lalao Olaimpika 2012 tao London, taranja totohondry ho an'ny vehivavy, sokajin-danja maivana. Tamin'ny 27 Oktobra, nanambady ity mpilalao aditotohondry 19 taona ity ary nanambara [ru] fa tsy hiverina hilalao aditotohondry raha...

Arabo Saodita: Fihetsem-po tamin'ny fipoahana nitranga tao Riyadh

Nitrangàna Fipoahana lehibe iray tany atsinanan'i Riyadh io maraina io, ka nahatonga resa-be teo amin'ny fitantaran'ny mpanao gazetin'ireo haino aman-jery lehibe sy nidera ny Twitter ho loharanom-baovao haingana. Raha ny tatitra am-boalohany dia nidona tamin'ny andrin-tetezana tao an-drenivohitra Saodiana ity fiarabe mpitondra solitany iray. Olona 10 fara-fahakeliny no maty ary 50 kosa no...

R.D. Congo : Dokotera Denis Mukwege, Mafàna Fo Mpiaro Zon'olombeloa, Voadaroka Tao An-tranony

Ny Dokotera Denis Mukwege, mafàna fo mpiaro ny zon'olombelona dia niharan'ny herisetra tao an-tranony tao Bukavu, ny 25 Oktobra 2012 teo.