Syria Anaty Fahapotehana

Mampiseho, mizara ary mandrakitra ho tahiry ny fitroarana tany Syria amin'ny alalan'ny fampirantiana sarim-pahapotehana ny mpaka sary Syriana manerana ny firenena. Na dia voafetra aza ny loharanom-pampahalalam-baovao dia mampihoronkoditra kosa ny zavamisy iainan'ny Syriana ao an-toerana mahita ny fivakivakisana ara-bakinteny ny firenena raha jerena izay [vaovao] tafavoaka. Na dia tsy misy aza ny loharanom-baovao azo itokiana hanamarinana ny toerana misy ilay mpaka sary sy ny isan'ny niharam-boina, ireto sary vitsivitsy ireto kosa dia santiona ahitana ny faharavana mahatratra ny fotodrafitrasa sy fonenan'i Syria.

Ao anatin'ireo mpaka sary an-jatony, Yazan Homsy mizara amintsika ny faharavan'ny tanànan'i Homs. Toy izao no filazany ny tenany:

 يزن الحمصي – ابن حمص العدية – ناشط في الثورة السورية من حي الخالدية ثورة حتى النصر أو الشهادة …

@YazanHomsY: Yazan Homsy, zanaka lahin'i Homs, mpikatroka ao amin'ny revolisiona Syriana , avy amin'ny manodidina an'i  Khalidya . Revolisiona mandra-pandresy na maritiora

Namoaka sary ao amin'ny Facebook izy, mandravaka ny faharavanny trano any an-tanànan'i Homs. Indreto ny roa amin'ny sariny, nahazoana alalana.

Homs: andro faha-139 nanaovana fahirana ny fokontany 14 ao an-tanàna. Enimbolana izay ary mampiasa ny fitaovam-panapoahana sy balafomanga rehetra ny milisin'i Assad hamoterahana ny faritra anaovana fahirano manodidina an'i Homs. Loharano: pejy Facebook Yazan Homsi. Nahazoana alalana.

Tsena taloha taorian'ny fandarohana baomba sy ny fandoroana. 06/13/2012. Loharano: pejy Facebook Yazan Homsi. Nahazoana alalana.

Mavitrika ihany koa ny Syrian News Network S.N.N [ar] amin'ny fanomezana vaovao farany ao amin'ny habaka an-tseraserany sy ny famoahana sary mandrakitra ny faharavan'ny tanàna telo lehibe indrindra ao Syria – Aleppo, Homs, ary Damaskosy – ao anaty fiainana andavanandro.

Indreto ny sary notsongaina:

Syria – Homs – 10/21/2012 – Faharavana vokatry ny fandarohana baomba avy amin'ny tafik'i Al Assad- Saripikan'i Mohammed Ibrahim – mpanangom-baovaon'i SHAAM NEWS NETWORK | SNN (108). Nahazoana alalana

Syria – Homs – 10/21/2012 – Faharavana vokatry ny fandarohana baomba avy amin'ny tafik'i Al Assad- Saripikan'i Mohammed Ibrahim – mpanangom-baovaon'i SHAAM NEWS NETWORK | SNN (102). Nahazoana alalana

Syria – Homs – 10/19/2012 – Faharavana vokatry ny fandarohana baomba avy amin'ny tafik'i Al Assad- Saripikan'i Mohammed Ibrahim – mpanangom-baovaon'i SHAAM NEWS NETWORK | SNN (39). Nahazoana alalana

Syria – Aleppo – Ny tanàna taloha – 13/10/2012 – Faharavana sy fahamaizana vokatry ny fandarohana baomba ny Moske Umayyad (12). Loharanontsary SHAAM NEWS NETWORK | SNN Nahazoana alalana

Syria – Aleppo – 09/23/2012 – Faharavana vokatry ny tifitra avy eo amin'ny voromby sy ny fidarohana baomba misesisesy. Loharanontsary SHAAM NEWS NETWORK | SNN Nahazoana alalana

Syria – Damaskosy – Tadamon – 07/09/2012 – Faharavana teo amin'ny manodidina vokatry ny fandarohana baomba ataon'ny tafik'i Assad (6). Loharanontsary SHAAM NEWS NETWORK | SNN Nahazoana alalana

Syria – Damaskosy – Erbeen – 29/10/2012 – Building rava vokatry ny fandarohana baomba ataon'ny tafik'i Assad amin'ny faritra sivily. Loharanontsary SHAAM NEWS NETWORK | SNN. Nahazoana alalana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.