- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Madagasikara: Akory ny halafon'izany atao hoe krizy pôlitika?

Sokajy: Afrika Mainty, Madagasikara, Ady & Fifandirana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna

Ny namana mpibalogy Razoky [1] no mamehy ny tatitra nivoaka farany amin'ny lafiny ekônômika momba an'i Madagasikara [2]:

Depuis 2009, près de 4 millions de personnes de plus gagnent moins de $1.25/jour, le nombre d‘enfants non scolarisés a augmenté de 500'000 et 336'000 emplois ont été perdus en raison de la crise politique prolongée.

“Hatramin'ny taona 2009 dia nitombo 4 tapitrisa ny isan'ny mponina mahantra izany hoe ireo izay latsaky ny $1.25/andro ny karamany [ndlr. 2'770 Ariary araky ny sandam-panakalozambola 26.10.2012], ireo zaza tsy miditra an-tsekoly kosa dia nitombo 500'000, toy ny isan'ireo asa very nohon'ny krizy pôlitika lavareny any Madagasikara izay nahatratra 336'000.”