- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Slovakia: Mamelona Adihevitra Ilay Fihaonambe “Mitady Fiainana Mendrika sy Azo Antoka”

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Slovakia, Fampandrosoana, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Foko sy Fiaviana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Sendikà, Zon'olombelona

Nanodidina ny 3000 ireo olona tafahaona [1] “ho amin'ny zon’ny vahoaka mendrika” tao an-tananan’ny Partizanske, tamin'ny Septambra. Tamin’ity volana ity, ny 13 Oktobra kosa, olona nihoatra ny zato no tafahaona tahaka izany – “hiaraka ho amin’ny fiainana mendrika sy azo antoka” – tao an-drenivohitr'i Slovakia tao Bratislava (horonantsary) [2].

Niaraha-nanomana tamin’i Oskar Dobrovodský [3]  [Twitter [4]Facebook [5] – sk]  olona fanta-daza ao Slovakia amin’ny gidragidra ifanaovany amin’ireo Rôma mpiray tanàna Roma “tsy mifanaraka” aminy (sary sy horonantsary [ sk ] – ato [6] sy ato [7]; vaovao fanadihadiana [ en ] – ato [8]ato [9]ato [10] ary ato [11]) avy ao an-tanànan’i Malacky [12], ny fanoherana natao tao Bratislava.

Nanatrika ny fivoriana ihany koa, ireo avy amin'ny vondron'antoko elatra farany ankavanana antsoina hoe Mpirahalahy Slovak [13].

Niezaka nanakana ny diabe tamin’ny alalan’ny fanaovana rojon'olona ny Mpiaro zon’ olombelona teo amin’ny 40 teo ho eo, ka tao anatin’izay ny MEP Monika Flašíková–Beňová [14], saingy tafalan'ny polisy ireo mpanohitra ny mpanao fihetsiketsehana ireo ka namela ny diabe hitohy (jereo sary, horonantsary [ sk ] – ato [15]).

Nanoratra [16] [sk] I Ondrej Putra fa te hampahery an'i Dobrovodsky izy ka izany no nanatrehany ilay famoroan'olona tamin'ny 13 Okt. teo, satria mitovitovy ny toe-draharaha mahazo ny fianakaviany sy ny an'i Dobrovodsky. Saingy, misy ny vondrona neo-Nazi nanitsy azy, angamba noho ny nahafantaran'izy ireo azy tao amin'ny gay pride [fireharehana maha-pelaka sns] tamin'ity taona ity [17] notontosaina tao Bratislava. Taty aoriana, nahatsapa i Putra fa ankevitry ny Neo-Nazi ny atsasaky ny mpanatrika ny diabe – ka nanapa-kevitra ny niala izy. Nanoratra izy hoe:

[…] Oskar [Dobrovodský], I'm sorry, […] even though I understand your fatal situation, I do not understand why you did not make sure that there wasn't a mob there marching with [their] party flags. […] […]

[…] Oskar [Dobrovodský] Miala-tsiny aho, […] na dia tsapako aza io toerana mampalahelo misy anao, tsy azoko, nahoana ianao no tsy nanome antoka fa tsy nisy vahoaka nanao diabe niaraka tamin'ny sainan'ny antokony […]

Naneho hevitra [18] [sk] momba ny vaovao sy ny tenin'ny MEP Flašíková–Beňová [19], mametraka ireo mpanao fihetsiketsehana rehetra ho “Fasista” i Tomáš Bosák :

[…] This is a problem of the whole Slovakia, not only of Oscar Dobrovodský in Malacky. Many people suffer in their neighborhoods because of asocials who just [live off the state] and are not willing to lift a finger. And this applies to all asocials, not just Roma, in many cases they are also non-Roma. This is why the protest's title refers to the asocials, not the Roma.

[…] It is the people who are experiencing situations like the one in Malacky who have the right to speak out and protest. Not politicians who are sitting in Brussels, away from their country and its problems. […]

[…] Olan’ny Slovakia manontolo izy ity, tsy an’i Oscar Dobrovodsky ao Malacky ihany. Maro ireo olona mijaly amin’ireo mpiray vodirindrina aminy noho ny tsy fahaizana miara-monina [ tsy fehezim-panjakana] ary tsy mahafoy hanainga rantsa-tanana iray akory. Ary mihatra amin’ireo tsy mahay miara-monina rehetra izany, tsy ireo Roma ihany, betsaka maningatsingana ihany koa ireo tsy Roma. Izany no mahatonga ny tarigetran'ny fihetsiketseshana miteny ny amin'’ireo tsy mahay miara-monina, fa tsy amin'ny Roma.

[…] Ny vahoaka no mahita toe-draharaha tahaka ny hitan'ny iray ao Malacky izay manan-jò hitabataba sy hanohitra. Fa tsy mpanao politika izay mipetraka any Bruxelles, lavitry ny fireneny sy ireo olana ao aminy. […]

Niteny [20] [sk] mahitsy tamin'ny MEP Flašíková–Beňová i Michal Sedláček:

[…] Yes, the shaved skulls abounded. But I also saw a lot of ordinary people […]. They have had enough of [Slovakia's selective justice]. The rich or the asocials apparently do not have to worry.

Yelling at Dobrovodský that he is a disgrace to the decent people is not just funny but stupid. I would like to propose one thing to [MEP Flašíková–Beňová]. I heard that you have a pretty decent income. How about buying Dobrovodský's house from him? How about you settling there? I believe that your system of “love and peace” will surely bring abundant results.

[…] Eny, maro dia maro ireo mpanaratra ny lohany. Saingy, maro ihany koa ireo olo-tsotra hitako […]. Leon'ny [fitsarana mifidy tavan'olona ataon'i Slovakia] ry zareo. Tsy tokony hiahiahy ireo manan-karena sy ireo tsy mahay miara-monina.

[…] Tsy vitan'ny mampihomehy fa fahadalàna ny mihiakiaka amin'i Dobrovodsky ho tsy ankasitrahan'ny olona miaina mendrika. Misy zavatra iray tiako zaraina [amin'ny MEP Flašíková–Beňová]. Henoko hoe manana fidiram-bola mendrika ihany ianao. Ahoana ny hevitrao raha hividy ny tranon'i Dobrovodsky ho azy? Ahoana raha hipetraka ao ianao? Mino fa hitondra vahaolana miavosa ilay rafitry ny “Fitiavana sy Fandriampahalemana” avy aminao.

Tsy miombon-kevitra [21] [sk] kosa mikasika ny fitantaran'ity gazety momba an'i Dobrovodsky kosa i Peter Černák:

[…] The problem is not Oskar Dobrovodský, it's just he who has a problem. The problem is the inaction of the state authorities and the refusal of the state to fulfill its most basic functions. What is the significance of the state that does not know or even does not want to protect its citizens?

[…] Tsy i Oskar Dobrovodsky no olana, izy no manana olana. Ny olana dia ny tsy fihetsehan'ny fanjakana mahefa sy ny fandavan'ny fanjakana tsy hanao ny ankabeazan'ny asany fototra. Inona no dikan'ny fanjakana izay tsy mahafantatra na tsy te hiaro ny olom-pireneny? […]

Naneso [22] [sk] ny tsy fisian'ny setriny mety avy any amin'ny fanjakana ny CynickaObluda.com

[22]

PM Robert Fico: “Mila vahaolana hatrany am-potony sy fampiasana ireo tahiry rehetra ny toe-draharaha iainan'ny olom-pirenena Dobrovodsky. Hisy sombim-pitiavana sy fahatakarana lalina omen'ny Praiminisitra azy avy hatrany nalaina tao amin'ny vatsy manokan'ny Praiminisitra” (Saripika avy amin'ny CynickaObluda.com, nahazoana alalana)

Nandritra izay, efa voaomana [23] [sk] ho amin'ny 10 Novambra ny tohin'ny famorian'olona “ho amin'ny fiainana mendrika sy azo antoka” ao Bratislava.