- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Chile: #LosQueSobran Fanentanana Manosika Ny Tanora Handeha Any Amin'ny Biraom-Pifidianana

Sokajy: Amerika Latina, Shily, Fifidianana, Hehy, Mediam-bahoaka, Tanora

Misy vondro-pikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana Shiliana iray miara-dia handrisika ny tanora Shiliana hifidy mandritra ny Fifidianana Kaominaly [1] izay hotontosaina amin'ny Alahady 28 Oktobra 2012.

Manao izao hetsika izao ireto fikambanana ireto ahitana ny – Ciudadano Inteligente [2], Un Techo para Chile [3], Educación 2020 [4] [es], Chao Pescao [5] [es], ary Iguales [6] [es] – satria sambany any Chile no aotômatika [7] ny fisoratana anarana ary an-tsitrapo [8] ny fandehanana mifidy.

Manazava ny habaka [9] [es] fanentanana:

Hoy nos enfrentamos como país a la incertidumbre del nuevo sistema electoral, en el que votar es un acto voluntario. Es por eso que nos hemos asociado para en conjunto hacer un llamado a votar: a manifestarse en las urnas y a no sobrar.

Hay algunos que quieren que no votes. Nosotros te invitamos a votar para manifestar tu contento o descontento. Existen buenas y nuevas alternativas en las comunas, y si no te sientes identificado con ninguna, vota nulo, pero vota.

Ankehitriny miatrika rafi-pifidianana vaovao isika eto amin'ny firenena, izay an-tsitrapo ny fandehanana mifidy. Izany no nahatonga anay hiara-miasa mba hiantso ny hifidianana: ho tonga any amin'ny biraom-pifidianana ka tsy hihevi-tena ho ‘tsy tiana'/'tsy ilaina’.

Misy ny sasany tsy tia anareo hifidy. Manasa anareo izahay haneho ny fahafaham-po na tsy fahafaham-ponareo. Misy ny zava-baovao sy tsara amin'ny kaominina [10], ka raha tsapanao fa tsy hitanao izay mifanaraka amin'ny safidinao, manaova vato fotsy, fa mandehana mifidy.

'La franja de los que sobran'. Image shared by @TECHOChile via Twitpic [11]

‘La franja de los que sobran’. sary zarain'ny @TECHOChile hita Twitpic

Ny anaran'ny fanentanana amin'ny teny espaniola dia La franja de los que sobran, izay azo adika hoe ‘Ny fampielezana/doka politikan'ireo tsy tiana loatra/tsy ilaina’.

Los que sobran’ manko dia fehezanteny entina ilazana ireo tsy raharahian'ny manana ny maha-izy azy any Chile. Io fehezanteny io dia avy amin'ny hira malaza dia malazan'ny Los Prisioneros [12] antsoina hoe El baile de los que sobran [13] (Ny Dihin'ireo Tsy Ilaina). Ao amin'ny hira, ny ‘tsy ilaina’ na ny ‘tsy tiana loatra’ no milaza ny tanora Shiliana avy amin'ny saranga ambany sy antonony izay kely ny fahafaha-manaony hitombo sy hivelatra.

Efa namoaka lahatsary fampihomehezana maro manasongadina mpiantsehatra sy mpanao sarimihetsika Shiliana malaza ny vondrona.

Ny lahatsarin'ny ‘doka politikan'ireo tsy ilaina’ dia ahitana mpanao politika sandoka, voafidy fanimbalony ka misaotra ny tanora tsy nandeha nifidy. Avy eo ny lahatsary ahitana io kandidà iray io ihany maneho ny heviny raha nifidy ireo ‘tsy ilaina’ (hitanao ny fihetseham-pony manomboka eo amin'ny 0:45). Mamarana amin'ny fandrisihana ny tanora Shiliana hifidy ny lahatsary.

Ny jingle ho an'ity politisiana noforonina ity dia nampifndrindrana tamin'ny feon'ilay hira malaza ‘Gangnam Style’ nataon'ilay mpihira Koreana Psy. Ny Kinova eto dia natsoina hoe ‘Sobram Style':

Nifampizara ny lahatsary sy ny hafatra fanentanana ao amin'ny Twitter amin'ny fampiasana tenifototra #LosQueSobran [14] ny mpiserasera.

Nisioka ny mpitarika mpianatra Giorgio Jackson (@GiorgioJackson [15]) [es]:

@GiorgioJackson [16]: ¿Crees q te rebelas x no votar? Mira el adelanto d la franja d #LosQueSobran [14] https://vimeo.com/51876869  [17] / Muchos candidatos alegres c tu ausencia

@GiorgioJackson [16]: Mieritreritra ve ianao fa lasa mpioko amin'ny tsy fandehanana mifidy? Jereo ny famoahana politikan'ny #LosQueSobran [14] [tsy ilaina] https://vimeo.com/51876869  [17] / Maro ny kandidà no faly amin'ny tsy fahatongavanao

Manoratra ny kaonty Twitter ho amin'ny fanabeazana 2020 (@Educación2020 [18]) [es], hetsiky ny olo-pirenena mitady ny fampivoarana ny kalitao sy fampitoviana ny fanabeazana Shiliana:

@Educación2020 [19]#LosQueSobran [14] no son los jóvenes, son algunos alcaldes que no han hecho nada por la Educación Pública http://ow.ly/eGvVn  [20]

@Educación2020 [19]: Tsy ny tanora ireo #LosQueSobran [14] [ireo tsy ilaina] ireo, fa ny ben'ny tanàna sasany tsy nanao na inona na inona amin'ny fanabeaza-pirenena  http://ow.ly/eGvVn  [20]

Mandrisika ny tanora hifidy amin'ny alalan'ity hafatra ity i Sebastián Valenzuela (@sebavalenzuelam [21]) [es]:

@sebavalenzuelam [22]: La marcha más legítima y valida en democracia, es a votar. No seas parte de #LosQueSobran [14] y se protagonista del Chile que quieres.

@sebavalenzuelam [22]: Ny lalana ara-drariny sy ekena indrindra amin'ny demokrasia dia ny fandehanana mifidy. Aza mametraka ny tenanareo ho #LosQueSobran [14] [tsy ilaina] fa midira ho mpandray anjara amin'i Chile tianao [+hajoro].

Azonao atao ny mijery sarim-panentanana ao amin'ny Kaonty Flickr. [23]