- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tontolo Arabo: Mitovy i Obama sy Romney Mikasika An'i Syria

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Etazonia, Syria, Tonizia, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika

Nanana teny masiaka hozaraina ny mpiserasera Arabo rehefa avy niandry hatramin'ny vao maraimbe mba haneho hevitra mikasika ny adihevitra momba ny fifidianana filoham-pirenena Amerikana teo amin'ny filoha Obama sy ilay Repoblikana be fanantenana Mitt Romney alohan'ny fifidianana amin'ny Novambra izao.

Tao amin'ny Twitter, nitsikera ny politika Amerikana momba an'i Syria ny mpiserasera, nilaza izy ireo fa mitovy fijery i Obama sy Romney.

Abu Hatem nisioka hoe:

@abuhatem [1]: Romney & Obama ao Syria: Tena mitovy tanteraka.

Ahmed Shihab-Eldin nanampy hoe:

@ASE [2]: Tsy manan-kevitra hafa izy [Obama], satria manatontosa tanteraka izay heveriny fa ataontsika. #Obama momba ny tetikasan'i Romney ao #Syria #Debate

Obama's position on Syria? [3]

Obama ao Syria? Avy amin'ny pejy Facebook “New Syria”

Ary hoy ny pejim-baovaon'i Syria tao amin'ny Facebook nilaza hoe [4]:

Mitovy i #Obama sy #Romney, samy miahy fatratra an'i #Syria, tahaka ny ho lasa ‘namana’ ho an'i Etazonia mandritra ny fifidianana ka miezaka hanampy ny olom-pirenena ao amin'ilay firenena ankehitriny.

[…]

Tsy mila ny fanampianareo izahay, miara-dia aminay i Allah

THE 47th nanamarika hoe:

@THE_47th [5]: Te-hahita i Obama hoe inona no tian'i Isiraely atao ao Syria (tsy mitsabatsabaka intsony), mihevitra i Romney fa fanararaotana i Syria. Fanararaotra izany maty 30000 izany.

Nandritra izany, nitodika tany amin'i Obama i Amal Hanano, Syriana:

@AmalHanano [6]: Obama, tsy mila mitsidika ny Mozea Holocaust ianao vao hahatsiaro ny ratsy, sokafy ny YouTube ary jereo ny ra mandriakan'i #Syria.

Toniziana Sami Ben Romdhane nisioka hoe:

@samiTunis [7]: Ny fanohanan'ny Exxon Mobil azy ireo no hany tsaroako tamin'ny adihevitra momba ny fifidianana filoham-pirenena Amerikana tamin'ny alina tao amin'ny CNN  .. 🙂 #fact

Syrianz THE 47th namazivazy hoe:

@THE_47th [8]: Mazava fa twitter no nandresy androany .

Tao amin'ny policymic, Bilaogera Toniziana Ahmed Medien nanampy [9] hoe:

Tsy dia mamiratra firy ny adihevitra tamin'ny Alatsinainy ho an'ny kandidà roa tonta. Toy ny olona mety ho voakasika amin'izany politika tena mitovy izany sy ireo orinasa eo any Etazonia sy Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra, tena talanjona manokana aho. Kabary mitovy tamin'izay renay nandritra ny taona maro ihany