Ejipta: Soso-kevitra ho An'ny Mpanao Fihetsiketsehana ao Koety

Satria efa miditra amin'ny hetsi-panoherana goavana indrindra ny Koesiana hanamelohana ny fanovana lalàmpifidianana, nataon'ny mpandovan'ny fanjakana rehefa noravana ny Antenimiera, nisahirana tao amin'ny Twitter ny Ejipsiana mba hanome soso-kevitra ireo Koesiana amin'izay tokony atao sy tsy tokony atao.

Resaka fomba fiakanjo ho an'ny lehilahy Koesiana, izay manao akanjo matsora lavabe antsoina hoe (thobe) no noresahan'i Samah Anwariti. Hoy izy nisioka [ar]:

لبس الجلبيات ده مينفعش خالص ف الثورات

@samahanwar: Tsy mety amin'ny revolisiona ny manao akanjo lavabe (thobe)

Taminà sioka hafa, nampahatonga saina azy ireo i @samahanwar:

ماتجبوش الخراب لبلدكم انتو عايشين كويس واحمدو ربنا غيركم مش لاقي العيش

@samahanwar: Aza simbana ny firenenareo. Mivelona ara-dalàna ianareo. Misaora an'Andriamanitra noho ny fitahiany anareo. Misy vahoaka hafa tsy afaka mivelona ara-dalàna

Naneho fanehoan-kevitra tahaka izany ihany koa ny Ejipsiana maro. Ebrahim Elkhadm nanoratra hoe [ar]:

#نصيحة_مصرية_للكوايته.. تبقوا ولاد مره لو سمعتوا كلامنا .. ده احنا اساسا معرفناش ننصح نفسنا بلا هبل

@ebrahimelkhadm: Mety ho very ianareo raha mihaino anay. Manoro hevitra anay aza tsy hainay. Aza adala

Elshazli nanampy hoe:

ركزوا فى كل كلمة مكتوبة فى الهاشتاج دا واعملوا عكسها هتلاقوا ثورتكم نجحت

@El_Shazli: Mifantoha amin'ny teny rehetra izay soratana amin'ny alalan'izany tenifototra ary ataovy izay mifanohitra amin'izany. Ho hitanareo fa lasa fahombiazana ny revolisionareo

Egyptians advise protesting Kuwaitis on Twitter

Nanome soso-kevitra ireo mpanao fihetsiketsehana Koetiana ny Ejypsiana tao amin'ny Twitter. Koetiana, Naser AlMufarrij nizara ity pikantsary ity tao amin'ny Twitter

Nizara ity pikantsary tamin'ny sioka ity i Naser AlMufarrij, Koesiana, izay vakiana amin'ny teny Arabo:

Nahoana ianareo no mitady revolisiona nefa manankarembe ny ankizy tanora indrindra aminareo raha oharina amin'ny minisitra Ejipsiana?

Ejipsiana maro nanaraotra namazivazy momba ny revolisionany manokana, tahaka an'i Gepril Thuwaiba izay nisioka hoe:

قبل ما تتحركوا المره اللى جايه كل واحد يتفق مع صحابه ..بعد المسيره مفيش كلام ولا جدال والا الفراق

@Gepril1: Alohan'ny hidinanao an-dalambe amin'ny manaraka, tokony hifanaraka amin'ny namany ny tsirairay. Rehefa vita ny diabe, aza miresaka, mifandrese lahatra dia samy manana ny lalany avy eo

Hoy izy nanampy:

هما ثلاث خطابات لو حصل مبروك عليكوا متنسوناش بعد الفرحه الكبيره كام برميل كده ع الماشى احسن الحاله ضنك

@Gepril1: Kabary telo fotsiny no nisy [miresaka momba ny kabary telo nataon'i Mubarak alohan'ny nandaozany ny fitondrana]. Raha mitranga izany, dia arahabaina! Rehefa vita ny fankalazana lehibe ataonareo, aza adino izahay. Tsarovy izahay na dia solitany amin'ny barika vitsivitsy fotsiny aza satria mafy ny toe-draharaha eto aminay

Haingana ery ny Koesiana nanamarika fa fihetsiketsehana tsotra fotsiny ny hetsika ao Koety fa tsy revolisiona. Barcelonya nanazava:

دي مش ثورة دا احتجاج يا اخوانا

@Barcelonya: Tsy revolisiona izao. Fa hetsi-panoherana.

Mahitsy i Mona Abo Elyazeed tamin'ny soso-keviny ary nizara foto-kevitra iray:

@MonaAbo: Tsy misy marimaritra iraisana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.