- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpikarama An'ady Avy Ao Mali Mikonokonina Korontana ao Côte d'Ivoire?

Sokajy: Cote d'Ivoire, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika

UNOCI manatontosa Hetsika fanafoanana fitaovam-piadiana ao Abidjan, Côte d'Ivoire – Febroary 2012. Avy amin'ny Firenena Mikambana ny Sary (CC BY-NC-ND 2.0)

Araka ny tatitra mampifanditra notontosain'ny Firenena Mikambana, nanakarama Islamista avy ao Avaratr'i Mali ny filoham-pirenena Ivoiriana teo aloha Laurent Gbabo mba hanakorontana ny governemanta ankehitriny tarihin'ny filoha Alassane Ouattara.

Nivoka tamin'ny Asabotsy 6 Oktobra 2012 teo ny vaovao tao amin'ny Onjam-peo Radio France International (RFI). Tamin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Côte d'Ivoire: UN report rich in revelations (Famoaham-baovao lehibe avy amin'ny Firenena Mikambana) [1]” nilazalaza momba ny fifandraisana voalaza fa misy eo amin'ny Antoko Ivoiriana Tia Tanindrazana mpanohana an'i Gbabo (FPI) sy ny Islamista Ansar Dine [2] ao Mali ny RFI [fr]. Nilaza ihany koa ny tati-baovao fa nisy ny fivoriana natao tao amin'ny sisintanin'i Maoritania sy Senegaly mba hiresahana momba ny fanentanana ireo mpikarama an'ady.

Marina ve sa  fampielezan-kevitra fotsiny?

Gazetim-paritra Frantsay Le Figaro namoaka ilay vaovao nalefan'ny RFI [3] [fr], izay narahin'ny Associated Press ihany koa avy eo, ka nivoaka indray tao amin'ny gazety New York Times [4] sy tranokalam-baovao iraisam-pirenena hafa.

Nandritra izany, nanipika [5] ny mpitondra tenin'ny Firenena Mikambana ao Cote d'IVoire  (UNOCI) fa tsy voatery avy amin'ny Firenena Mikambana ny vaovao [fr]:

Contrairement à ce qui a été dit sur Rfi et qui a semé la confusion, ce n’est pas un rapport de l’Onu. C’est un rapport d’experts indépendants qui doit être soumis au Conseil de sécurité.

(…) les conclusions de ce rapport n’engagent que ces experts.

Il faut qu’on attende tous de voir le rapport et de voir les preuves qui ont été apportées par les experts. Pour pouvoir établir si les éléments sont vrais et savoir ce que les experts ont comme éléments de preuves.

Mifanohitra amin'ny vaovao voalazan'ny RFI izay niteraka disadisa, tsy tatitra avy amin'ny Firenena Mikambana izany, fa tatitra avy amin'ny manam-pahaizana tsy miankina izay tokony alefa ao amin'ny Filankevi-piarovana.

(…) ireo manam-pahaizana no tompon'antoka amin'izany vaovao izany.

Samy miandry ny fivoahan'ny tatitra ny tsirairay ary hijery ny porofo notaterin'ireo manam-pahaizana mba ahafahana mijery raha marina ny zavatra voalaza ary inona ny porofo hoentin'ireo manam-pahaizana.

Iraka avy amin'ny Filankevi-piarovana ao amin'ny Firenena Mikambana ireo manam-pahaizana tsy miankina dimy ary notendren’ [6] ny Sekretera Jeneraly tamin'ny volana Jiona 2012.

Théophile Kouamouo, bilaogera [7] malaza sy lehiben'ny tonian-dahatsoratra ao amin'ny gazety mpanohana an'i Gbagbo ao Cote d'Ivoire “Nouveau Courrier” misalasala [8] [fr] ny amin'ny fahamarinan'ny fanadihadiana notontosain'ireo manam-pahaizana avy ao amin'ny Firenena Mikambana:

Les experts doivent, pour publier une information, se fonder sur des sources documentaires éprouvées ou au moins deux sources indépendantes. Ils doivent aussi, autant que faire se peut, contacter les mis en cause et recueillir leur version des faits. Ce qui n’a pas encore été fait, selon les nombreuses personnalités interrogées par Le Nouveau Courrier. Par exemple, sur un sujet comme la prétendue réunion de Takoradi, Marcel Gossio, par exemple peut aisément prouver qu’il n’était pas au Ghana à la date citée.

Alohan'ny amoahana ilay tatitra, tokony hifototra amin'ny loharanom-baovao voamarina na farafaharatsiny avy amin'ny loharanom-baovao roa tsy miankina ireo manam-pahaizana. Raha azo dia tokony hanontany ireo voakasika ihany koa izy ary hanangona izay zavatra lazainy. Tsy nisy anefa ny fanaovana izany, araka ny nambaran'ireo olona marobe nohadihadian'ny gazety New Courier. Ohatra, mikasika ny fivoriana voalaza fa natao tao Takoradi (Ghana), afaka manaporofo mora foana i Marcel Gossio fa tsy tao Ghana izy tamin'ny daty voalaza.

Miteraka fisalasalana hatrany ny mikasika ny fahamarinan'ny vaovao, nihevitra i Kouamouo fa tokony nomen'ny fitondrana Ivoiriana ireo manam-pahaizana notendren'ny Firenena Mikambana ilay finday nisy hafatra nifanaovan'ny mpitsoam-ponenana FPI sy ny Islamista :

Par ailleurs, selon RFI, le rapport (?) évoque des SMS interceptés et qui seraient des preuves contre les pro-Gbagbo. Or, le Comité des experts ne comporte en son sein aucun expert en écoutes téléphoniques, et l’ONUCI non plus. La réalité doit être la suivante, au-delà de cette opération de propagande bien huilée. Il est fort probable que, tout simplement, les sécurocrates du régime Ouattara aient livré de prétendues «preuves» aux experts.

Fanampin'izany, araka ny voalazan'ny RFI, nahitana SMS tratra nifanaovana ny tatitra (?) ho toy ny porofo manohitra ny mpanohana an'i Gbagbo. Na dia izany aza, tsy nahitana manam-pahaizana momba ny fihainoana resaka an-taroby ny vaomieran'ireo manam-pahaizana, ary toy izany koa ny ao amin'ny UNOCI. Mety toy izao ny tena zava-misy, ankoatran'izao hetsika fampielezan-kevitra voakarakara tsara izao, mety avy amin'ny “securocraty”n'ny fitondrana Ouattara ireo lazaina fa “porofo” ho an'ireo manam-pahaizana.

ISN logo [9]Vatsian'ny International Security Network (ISN) ity lahatsoratra (teny anglisy) ity sy ny dikantsorany amin'ny teny frantsay, arabo ary espaniola ho fiaraha-miasa amoahana ny feon'olo-tsotra eo amin'ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny filaminana ankapobeny. Tao amin’ny bilaogy ISN [9],no navoaka voalohany [10] ny lahatsoratra ary azona jerena eto [11] ireo tantara hafa mifandraika amin’izany.