- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arabia Saodita: “Toerana voaràra hoan'ny vehivavy tokana ny aty” .. amin'ny hôtely fisakafoana iray

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

Toerana voaràra hoan'ny vehivavy tokana, tsikaritra tamin'ny varavaran'ny hôtely fisakafoana iray tany Arabia Saodita. Saripika napariaky @moadaldabbagh [1]

Toerana voaràra hoan'ny vehivavy tokana, tsikaritra tamin'ny varavaran'ny hôtely fisakafoana iray tany Arabia Saodita. Saripika napariaky @moadaldabbagh [2] tamin'ny siokan-tseratsera



Tamin'ny siokan-tseratsera i Moad Aldabbagh no nanapariaka ity saripika maneho soratra mandravaka ny varavaran'ny hôtely fisakafoana iray tany Arabia Saodita ity. “Tianay ny mampahafantatra fa toerana voaràra hoan'ny vehivavy tokana ny aty” no voasoratra.

Sady narahiny hafatra siokan-tseratsera hoe:

@moadaldabbagh [2]: Izao ny taon-jato faha-21 aty Arabia Saodita…