- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Libya: Tena Namoy ny Ainy Marina ve i Khamis Gaddafi ?

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Libia, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

Namoy ny ainy ve i Khamis Gaddafi? Tena namoy ny ainy tokoa hono. Mbola mitohy ny fametraham-panontaniana [1] tao anatin'izay herintaona katroka nirodànan'ny   [2]fitondran'ny rainy mpanao didy jadona Muammar Al Gaddafi izay.

Mpanao gazety Mary Fitzgerald nisioka hoe:

@MaryFitzgeraldIT [3]: Taorian'ny andron'ny vazivazy,  nanambara ny Kongresy nasionaly spox #Libya tao amin'ny fahitalavitra ao an-toerana fa naratra mafy ny zanaka lahin'i Gaddafi, Khamis androany ary namoy ny ainy avy eo

Hoy izy nanampy:


@MaryFitzgeraldIT
: Manoloana ny tatitra imbetsaka momba ny fahatratrarana/fahafatesan'ny zanaka lahin'i Gaddafi, Khamis tao anatin'izay 20 volana mahery izay, tsy mahagaga, miandry ny porofo momba izany ny maro #Libya

Hoy ny LibyanYouthMovement (Hetsiky ny Tanora Libyana) nanamarika:

@ShababLibya [4]: Miandry sary izahay ary hanohy hanome vaovao farany ho an'ny tsirairay mikasika ny zava-nitranga. Nihevitra avokoa isika rehetra fa maty i Khamis! #Libya

Nanamarika toy izao i Huda:

@hudduh [5]: Namoy ny ainy imbetsaka noho i Kenny i Khamis. Miandry ny sary azo tamin'ny finday tsy azo ialàna hanamafy ny vaovao momba ny fisamborana/fahafatesany. #Libya

Manampahaizana momba ny tetikady NPR, Andy Carvin nisioka hoe:

@acarvin [6]: Ampisehoy anay i Khamis Gaddafi. Porofoy izany. Mandra-panaporofonao izany dia izy hatrany no Kayser Soze. #libya

Nandritra izany, Iyad El-Baghdadi naminany hoe:

@iyad_elbaghdadi [7]: Namorona sy nampiely sary namboarina misy ny sarin'i  Khamis #Gaddafi maty in 3… 2… ny “vendrana” sasany #Libya

Libyana, AletheiaLibya naneho hevitra hoe:

@AletheiaLibya [8]: “Raha monina ao am-pon'i Libyana mandrakizay i #Gaddafi, rariny raha monina mandrakizay ao am-ponjan'i #Libya mandrakizay i Moussa Ibrahim & Khamis.

Mpitondra tenin'i Gaddafi i Moussa Ibrahim. Nilaza [9] ny tatitra androany fa voasambotra tao Tarhouna, atsimon'ny renivohitra Tripoli izy.

Mpanao gazety Jenan Moussa niantso ho amin'ny fahatsiarovan-tena:

@jenanmoussa [10]: Ry namana, ry namana, ajanony ny fanaparitahana tsaho. Milaza aho fa tsy misy olona ao #Libya afaka manamarina ny vaovao izao dia izao momba an'i Khamis Gaddafi

Ny fotoana ihany no hanambara amintsika raha hihaona amin'ny rainy i Khamis Gaddafi atsy ho atsy na tsia.