Namoy ny ainy ve i Khamis Gaddafi? Tena namoy ny ainy tokoa hono. Mbola mitohy ny fametraham-panontaniana tao anatin'izay herintaona katroka nirodànan'ny fitondran'ny rainy mpanao didy jadona Muammar Al Gaddafi izay.
Mpanao gazety Mary Fitzgerald nisioka hoe:
@MaryFitzgeraldIT: Taorian'ny andron'ny vazivazy, nanambara ny Kongresy nasionaly spox #Libya tao amin'ny fahitalavitra ao an-toerana fa naratra mafy ny zanaka lahin'i Gaddafi, Khamis androany ary namoy ny ainy avy eo
Hoy izy nanampy:
@MaryFitzgeraldIT: Manoloana ny tatitra imbetsaka momba ny fahatratrarana/fahafatesan'ny zanaka lahin'i Gaddafi, Khamis tao anatin'izay 20 volana mahery izay, tsy mahagaga, miandry ny porofo momba izany ny maro #Libya
Hoy ny LibyanYouthMovement (Hetsiky ny Tanora Libyana) nanamarika:
@ShababLibya: Miandry sary izahay ary hanohy hanome vaovao farany ho an'ny tsirairay mikasika ny zava-nitranga. Nihevitra avokoa isika rehetra fa maty i Khamis! #Libya
Nanamarika toy izao i Huda:
@hudduh: Namoy ny ainy imbetsaka noho i Kenny i Khamis. Miandry ny sary azo tamin'ny finday tsy azo ialàna hanamafy ny vaovao momba ny fisamborana/fahafatesany. #Libya
Manampahaizana momba ny tetikady NPR, Andy Carvin nisioka hoe:
@acarvin: Ampisehoy anay i Khamis Gaddafi. Porofoy izany. Mandra-panaporofonao izany dia izy hatrany no Kayser Soze. #libya
Nandritra izany, Iyad El-Baghdadi naminany hoe:
@iyad_elbaghdadi: Namorona sy nampiely sary namboarina misy ny sarin'i Khamis #Gaddafi maty in 3… 2… ny “vendrana” sasany #Libya
Libyana, AletheiaLibya naneho hevitra hoe:
@AletheiaLibya: “Raha monina ao am-pon'i Libyana mandrakizay i #Gaddafi, rariny raha monina mandrakizay ao am-ponjan'i #Libya mandrakizay i Moussa Ibrahim & Khamis.
Mpitondra tenin'i Gaddafi i Moussa Ibrahim. Nilaza ny tatitra androany fa voasambotra tao Tarhouna, atsimon'ny renivohitra Tripoli izy.
Mpanao gazety Jenan Moussa niantso ho amin'ny fahatsiarovan-tena:
@jenanmoussa: Ry namana, ry namana, ajanony ny fanaparitahana tsaho. Milaza aho fa tsy misy olona ao #Libya afaka manamarina ny vaovao izao dia izao momba an'i Khamis Gaddafi
Ny fotoana ihany no hanambara amintsika raha hihaona amin'ny rainy i Khamis Gaddafi atsy ho atsy na tsia.