Nanamarika Ilay fankalazana ofisialy ny faha-5 oktobra tao Portiogaly, fetim-pirenena nanaganana ny repoblika ny taona 1910, ny fihetsika miavaka sy azo atao hoe mampalahelo nataon'ny Filoha Cavaco Silva, raha nampitsongoloka tsy nahy ny sainam-pirenena.

Cavaco Silva nanatsongoloka ny saina tamin'ny 5 Oktobra 2012. Saripika Art° 21 nozaraina tao amin'ny Facebook (sary an'ny daholobe)
Araka ny lalàna miaramila, ny dikan'ny saina mitsongoloka dia hoe lasan'ny fahavalo ilay sisintany. Ny Andininy faha-332, amin'ny fehezan-dalàna ady heloka dia manameloka ireo izay “manala baraka ny mariky ny fiandrianam-pirenena na faritany” imasom-bahoaka, toy ny sainam-pirenena, ny hiram-pirenena na mari-piandrianam-pirenena portiogey hafa, sazy an-tranomaizina hatramin'ny 2taona na onitra mahatratra karama-na 240 andro.
Nanoratra [pt] tao amin'ny bilaoginy Fundo Azul (manga tokotanin-tsary) i José Antonio Fundo artista sady mpampianatra hosodoko:
Um Presidente hasteia a bandeira do seu país ao contrário. Este acto está carregado de simbolismo. Ainda que tenha sido involuntário. Este Presidente já nos habituou a actos desprovidos de sentido, de intenção e de alma. Uma bandeira invertida é sinal de um país vitima de um golpe de estado, um navio tomado por piratas. É um pedido de auxilio causado por uma tomada violenta e ilegítima do poder, a perca de autonomia e liberdade. Portugal foi tomado por um governo que defende interesses estrangeiros, por uma troika que quer criar um exército de escravos europeus, por falsos políticos que protegem interesses económicos nefastos. Cavaco Silva não se desgasta muito para defender o interesse dos Portugueses. Sem querer realizou o mais simbólico e preocupante acto que acompanha a comemoração da República. A Republica está no fim. A democracia também. A bandeira deveria manter-se invertida. Até lhe agradecia a ironia mas estou farto de aturar as suas tolices.
Filoha iray nampakatra ny sainam-pireneny mitsongoloka. Misy dikany lehibe izany fihetsika izany, eny fa na dia tsinahy aza. Nanazatra antsika tamin'ny fanaovana fihetsika tsy misy dikany , tsy misy eritreritra ary tsy amim-panahy ity filoha ity. Mariky ny firenena niharan'ny fanonganam-panjakana ny saina mivadika, na sambo azon'ny piraty. Fitadiavam-panampiana noho ny fakana tamin-kery sy tsy manara-dalàna ny fahefana, fahaverezan'ny fahaleovantena sy ny fizakan-tena izany. Azon'ny governemanta mpiaro ny tombontsoa vahiny i Portiogaly, ny troika [ivondronan'ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena FMI, ny Banky foibe eoropeana ary ny Vaomiera Eoropeana ] izay te-hanangana andian’ andevo eoropeana, amin'ny alalan'ireo mpanao politika sandoka miaro ny tombontsoa ara-toe-karen'ny mpifaninana. Tsy te hisasatra loatra i Cacavo Silva hiaro ny tombontsoan'ny Portiogey. Na tsy iniana aza , nanao ny fihetsika nanohina indrindra izy nandritra ny fankalazana ny Repoblika. Manakaiky ny faran'ny Repoblika , sy ny demokrasia. Tokony hijanona hitsongoloka ilay sainam-pirenena. Misaotra azy ihany aho tamin'ny fanesoany, saingy leon'ny fahadalany aho.
Herintaona sy tapany izay ny teto amin'ny Global Voices nitatitra mikasika ilay “fanavotana” ny trosam-panjakana ho manan-kery, nanatsonga ilay mpanakanto sady mpitolona Miguel Januario izay nanoso-kevitra tamim-panesoana ny “fanavaozana haharaka ny vaninandro ny sainam-pirenena Portiogey, sy hiaraka hampitombo ho roa heny ny halavan'ny hiram-pirenena(…) mba hifanaraka marina amin'ny zava-misy ao amin'ny firenena”
Nanomboka niverimberina tany amin'ny fampitan'olo-tsotra vaovao , taorian'ny 5 Oktobra tamin'ity taona ity, ny famoronana fanavaozana ny sainam-pirenena, toy ny hitantsika amin'ny sary eto ambony, sy ny hiram-pirenena, tahaka ny henontsika eto ambany.
Nanavao ny sarintavany an-tserasera mitsongoloka ihany koa ny maro.

Afisy “Miarahaba ny tsingerintaonan'ny repoblika mivadika “¡ɔıןqndǝɹ ǝʌıן ƃuoן” nataon'i Gui Castro Felga nivoaka tao amin'ny bilaogy Ministério da Contra-propaganda.”
Tamin'ity taona ity, no fotoana farany hankalazan'ny firenena ny datin'ny fetim-pirenena – fepetra voalaza efa elaela tamin'ity taona 2012 ity entina hampitomboana ny isan'ny andro iasàna. Sambany tao anatin'ny 102 taona, tsy notontosaina teo amin'ny kianja Monisipaly tao Lisbon ny fankalazana ofisialy noho ny antony fiarovana, araka ny notaterin'ny gazety i (izay natsongolony ihany koa ny fonony tamin'ny 6 Oktobra) ary nafindra tao amin'ny tahala mifefy antsoina hoe Patio da Galé.
Na teo aza izany, nahavita nanozongozona ny lanonana ny vehivavy roa avy amin'ny mpanao fihetsiketsehana: ny iray nahatapaka ny faran-kabary tamin'ny alalan'ny fitarainana mahonena, ny iray hafa kosa namerina ny tononkiran'ny fijoroana (resistance) mitondra ny lohateny hoe “Firmeza” (mivonkona) an'i Fernando Lopez-Graça
Ny bilaogy Casa das Aranhas namoaka [pt] (miaraka amin'ny sary) ny hetsika fanoherana nisesisesy izay nitranga nandritra ny andro, tao anatin'izany ny fihetsiketsehana manoloana ny Antenimieran'ny Repoblika, izay nifampiantsoina tao amin'ny Facebook ary nifarana tamin'ny fisamborana ireo nanao fihetsiketsehana.