Taona vitsy lasa izay, nitombo ny isan'ny mpifindra monina Venezoeliana any Panamà. Noho izany, maro ireo Panameana sy Venezoeliana monina ao amin'io firenena io no nanaraka amim-pahamalinana ny fifidianana filoham-pirenena hatramin'ny 7 Oktobra. Araka ny habaka aterineto Info Sur Hoy [es]:
3,500 venezolanos residen legalmente, informó el Servicio Nacional de Migración de Panamá. Aunque también hay 86.815 venezolanos que llegaron al país en los últimos seis años y que no han legalizado su estatus migratorio, informó el periódico Panamá América.
Nanomboka nifidy vao maraina be ireo Venezoeliana manana taratasy ara-dalàna, araka ny notaterin'ny El Venezolano [es], gazety miseho isan-kerinandro ho an'ny fiaraha-monina Venezoeliana any Panamà :
A las 6:15 am se inició el proceso de votación donde tres salones han sido habilitados dentro de la Embajada. Hasta los momentos, todo ha sido fluido y organizado. Los venezolanos mostraron su cara de esperanza y felicidad por tener la oportunidad de ejercer su derecho en este país, desde muy tempranas horas de la madrugada cuando se acercaron a la Embajada, equipados con café, bebidas, agua, alimentos y su cédula de identidad.

Venezoeliana nifidy tany Panamà ny 7 Oktobra, 2012. Sary nozaraina tamin'ny @ElVenezolanoP tamin'ny Twitter.
Raha vao fantatra izay mpandresy amin'io fifidianana io, vetivety ny fahatongavan'ny fanehoan-kevitra amin'ny tambazotra sosialy, izay hanadihadian'ny Panameana sy ny Venezoeliana ny valim-pifidianana. Ohatra, Diego de Obaldia (@DeObaldia [es]), Venezoeliana iray monina any Panamà, somary nananihany :
(@DeObaldia) Vamos a ver quién puede más: la maldad de CHAVEZ o la hospitalidad de PANAMÁ…
Ny hafatra amin'ny Twitter miaraka amin'io feo io dia nanomboka nandeha tamin'ireo hafatra famporisihina sy fampanantenana ho an'ny Venezoeliana, na dia misy aza ireo mampitandrina ny amin'ny fisian'ireo andiana mpifindra monina vaovao. Ny tatitr'i La Estrella de Panamá[es] :
Tras la victoria de Chávez se prevé que ocurrirá una nueva ola de migración. Lo que si llega a pasar, sería bueno para la economía panameña de acuerdo con el economista socio de la firma Indesa Felipe Chapman.
Heverina fa firenena manana kolontsaina isankarazany Panamà, izany no manazava ny antony hankasitrahan'i Giordano C (@GiordanoCQ) [es] ny fandraisan'i Panamà ireo Venezoeliana, sy ny antony hilazany ny fisian'ny andianà mpifindra monina vaovao :
(@GiordanoCQ) Presiento un tsunami de venezolanos a PTY , gracias Panamá por abrirnos las puertas y recibirnos como en casa …
Ho an'ny Panameana sasany, ny fifidianana any Venezoela dia taratry ny fifidianana Filoha any Panama ho avy manaraka eo (Ny fifidianana indray ny Filoha am-perin'asa dia tsy araka ny lalàm-panorenana any Panamà ). Ny mpisera ‘ec’ dia manadihady ao amin'ny Foros Slot [es]:
En fin, yo creo que esto es un testamento de que en países con democracias tan inmaduras como las nuestras no debemos permitir re-elección por que las masas son fácilmente manipulables.
Efa alinalina ihany, tamin'ny Alahady, 7 Oktobra, ny Panameana Yoli Moreno (@_YoliM_) [es] dia nampahatsiahy ireo mpanaraka azy ny amin'ny maha-zava-dehibe ny fanarahana akaiky ireo fifidianana ireo :
@_YoliM_: Leo algunos tuits y siento pena. Cuando empiecen a pensar globalmente se darán cuenta que lo que pase en cualquier país nos afecta.