- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Oganda: Ilay Fanomezana Jobily Volamena Izay Tsy Tontosa Mihitsy

Sokajy: Afrika Mainty, Oganda, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka

Raha mbola mankalaza ny faha-50 taonan'ny fahaleovantenany [1] i Oganda ny 9 Oktobra 2012, mba nanantena ny tsirairay fa ho fanomezana lehibe tsara indrindra ny fandresena amin'ny fiadiana ny ho Tompondakan'i Afrika. Mbola tsy tanteraka anefa izany.

Na dia nivarotra ny tapakila tamin'ny vidiny 40,000 shillings Ogandey ($16) ny tsotra, 75,000 Shs ($30) ny vidim-pidirana Volamena (Gold) ary 120,000 Shs ($48) ny vidim-pidirana Platinum aza ny Federasiona Ogandey Football, tonga marobe nanatrika ny lalao ny Ongadey.

[2]

Afisy ofisialin'ny Oganda Cranes tamin'ny lalao ifaninanana amin'i Zambia. Sary tao amin'ny pejy Facebook Oganda Cranes.

Tamin'ny Asabotsy 13 Oktobra, nifanandrina tamin'ny ekipa Chipolopolo Zambiana i Oganda Cranes. Taorian'ny 90 minitra, nitarika foana i Oganda tamin'ny isa 1-0. Tsy maintsy niafara tamin'ny penalty anefa ny lalao satria resin'i Zambia tamin'ny isa 1-0 i Oganda tamin'ny lalao mandroso. Resin'i Zambia tamin'ny isa 8-9 i Oganda nandritra ny penalty. Nangina tanteraka ny Kianjabe Nasionaly Mandela sy ny tanàna manontolo ao Kampala taorian'ny valin-dalao. Tsy nandresena intsony na dia Vuvuzela iray na sioka kely aza.

Midika izany fa tsy maintsy miandry ny lalao Tompondakan'i Afrika amin'ny taona 2015 indray i Oganda mba hanarina ny tsy fahombiazana. Araka ny mahazatra, nampiasa Twitter ny Ogandey mba haneho ny fihetseham-pony ka indreto sombiny tamin'izany.

Nanamarika i Patrick Mugumya [3] fa faly tamin'ity faharesena ity ny mpanao gazety sasany:

@mugumya [4]: Araka ny efa fantatra, faly ny mpanao gazety sasany fa resy ny ekipam-pirenena. Mampahonena tanteraka #UgandaCranes [5]

Nangataka tamin'ny olona izy mba tsy hanome tsiny ny filoha Museveni satria misy ireo sasany no manome tsiny azy noho ny faharesena:

@mugumya [6]: Miarahaba #Kampala [7] Mino aho androany fa hiadi-hevitra tsara isika momba ny #UgandaCranes [5] aza ampidirina amin'izany i Sevo, mbola tsy nilalao tamin'izany izy ary tsy hilalao mihitsy

Nanome tsiny ireo mpanohana nitondra akoho velona teny amin'ny kianjabe  i Tumwebaze Josephe [8]:

@jobaze [9]: Hitako ihany hoe iza no omena tsiny amin'zao faharesen'ny Uganda Cranes izao. Tsy faly tamintsika ireo akoho velona nentin'ny mpanohana!pic.twitt [10]er.com/VujcSdbo [10]

Midika izao fa tia manao fety be loatra ny Ogandey, mampiseho i Assumpta Nalubega [11] fa efa nifantoka tamin'ny fampisehoan'i Sean Paul ny sain'ny Ogandey sasany:

@mnalubega [12]: Satria efa resy ny #ugandacranes [13] ankehitriny, miandry tapakila amin'ny fampisehoana ataon'i #SEAN [14] PAUL ny sasany!! Nahazoako lesona izany:-) @SemuGoma [15]

Nihevitra i Proggie Uganda [16] fa tokony hanamboatra kianja vaovao i Oganda satria mbola tsy nandresy mihitsy isika tao amin'ny kianjan'i Namboole:

@proggiug [17]: Mila manamboatra kianja vaovao isika. Tsy mbola naharesy mihitsy isika teo. RT @oleebranch [18]: Kianja Mandela. Tranon'ny #UgandaCranes [13] http://instagr.am/p/Qy1oQXImjg/ [19]

Efa resy ny  ekipa nasionaly Ongadey amin'ny baolina kitra, Uganda Cranes [20] tamin'ny lalao Tompondakan'ny ekipam-pirenena Afrikana [21] tamin'ny taona 1978, efa tafakatra tamin'ny lalao famaranana izy saingy resy ary nitàna ny laharana faharoa. Mifanakaiky ny fiverenan'ny tantara   [22]tamin'ny taon-dasa ny ekipa.