- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

India: Tahirin-dahatsary Amin'ny Aterineto Ho An'ny Zava-kanto An-Tsehatra

Sokajy: Azia Atsimo, India, Mediam-bahoaka, Mozika, Zavakanto & Kolontsaina

“Shabda” dia midika hoe :“feo” na “kabary” [1] amin'ny fiteny Sanskrit, ary izay no anarana nomena ny tahirin-dahatsary manokana amin'ny aterineto [2]izay mampiseho ireo karazanà endrika zava-kanto indiana.

Natomboky ny mpilalao zava-maneno telo,T.M. Krishna, H.K. Venkatram ary  Shriram Kumar, ary mikendry ny hitondra  [3] ny zava-kanto sy ny kolon-tsaina Indiana ho amin'ny sehatra malalaka kokoa ny Shabda.

Tamin'ny fakana  [4]endrika  valan-dresaka TED [5], dia nanasa ireo manam-pahaizana amin'ny zava-maneno, ny dihy na ny seho an-tsehatra (teatra) ny mpamorona ny Shabda mba hanome fampianarana nandritra ny roapolo minitra momba ny loha-hevitra nofidian'izy ireo.

Ny seho Shabda iray dia misy mpiteny enina ka hatramin'ny valo [4], ao anatin'izany ny resadresaka momba ireo mpianatra roa sy ireo izay tsy mahafantatra loatra ny momba ny kanto Indiana. Manantena ny mpamorona fa ankoatra ny  maha-loharanom-baovao azy dia hanjary fiaraha-monina mpamorina sy miara-miasa koa ny habaka aterineto.  [6]

Ny fampianarana, izay amin'ny teny Anglisy daholo, dia maharakotra loha-hevitra malalaka.Tamin'ny fandaharana Shabda [7] voalohany [7], Lakshmi Vishwanathan dia nampiseho ny fomba ampiasàn'ny mpandihy Bharatanatyam [8] ny feon-java-maneno mba hanatsarana sy hampiakarana ny hatsaran'ny dihy.

Professor V.V. Subramaniam dia nampiseho tamin'ny fampianarana  [9]ny maha izy azy ny mozika rehefa lalaovina sy atao amin'ny lokanga.

Brigha Bessel nampiseho [10] ny fampiasan'ny mpandihy Bharatanatyam ny teknika famoahana hevitra.

Ny hajian-tsary nasongadina dia mampiseho an'i Rama Vaidyanathan mpandihy Bharatanatyam. Sary avy amin'ny mpampiasa Flickr Dalbera [11] (CC BY 2.0).