Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

17 Oktobra 2012

Tantara tamin'ny 17 Oktobra 2012

India: Tahirin-dahatsary Amin'ny Aterineto Ho An'ny Zava-kanto An-Tsehatra

Shabda no hany tahirin-dahatsary amin'ny aterineto izay mampiseho ireo karazana endrika zava-kanto Indiana. Liana tamin'ny endrika TED, dia nanasa ny mpahay zava-maneno, ny dihy na ny seho an-tsehatra ny mpamorona ny Shabda mba hampianatra ny loha-hevitra nofidian'izy ireo mandritra ny roapolo minitra.

Rosia: Mpanao Lalàna Mikasa Hametraka lalàna Amin'ny Tambajotra Sosialy

Akon'ny RuNet

Anaty efi-manakon'ny RuNet, mora ho an'ny bilaogera ny voafandrika amin'ny lohatenin-gazety manaitaitra. Ity misy tranga iray amin'izany: Andro vitsy lasa izay, bilaogera maromaro no nirehidrehitra amin'ny hevitra fa misy komity ao amin'ny Duma miandraikitra ny fametrahana lalàna momba ny aterineto vao namolavola lalàna vaovao [ru] mametraka ny tsy maintsy hananan'ny mpiserasera amin'ny tambajotra sosialy...

Oganda: Ilay Fanomezana Jobily Volamena Izay Tsy Tontosa Mihitsy

Raha mbola mankalaza ny faha-50 taonan'ny fahaleovantenany i Oganda ny 9 Oktobra 2012, mba nanantena ny tsirairay fa ho fanomezana lehibe tsara indrindra ny fandresena amin'ny fiadiana ny ho Tompondakan'i Afrika. Mbola tsy tanteraka anefa izany. Na dia nivarotra ny tapakila tamin'ny vidiny 40,000 shillings Ogandey ($16) ny tsotra, 75,000 Shs ($30)...

Môzambika: Saripika bisikileta-fiarakaretsaka any Quelimane