Venezoela: Fisaintsainana Taorian'ny Fifidianana

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Fifidianana 2012 tao Venezoela.

Niakatrakatra ny fihetsehampo tamin'ny Alahady alina taorian'ny nanambaràna tamin'ny fomba ofisialy ny vokatry ny fifidianana izay ho filoham-pirenena natao ny 7 Oktobra 2012. Voafidy indray ny Filoha Hugo Chávez tamin'ny ampaham-bato 55.14%, raha toa kosa ka 44.24% no azon'i Henrique Capriles, ilay mpirotsaka avy amin'ny fanoherana, araka ny tatitra avy amin'ny Vaomieram-Pirenena Momba ny Fifidianana [es] ao Venezoela.

Nankalaza ny fitohizan'ny ‘Revolisiona Bolivariana‘ teo ambany fitarihan'i Chávez ny ampahany amin'ny firenena, raha ny ankilany kosa natanondriky ny faharesena hafa indray tamin'ny fifidianana.

Fisaintsainana avy amin'ireo mpanohana an'i Chávez

Tamara Pearson ao anatin'ny Venezuelan Analysis dia manondro ilay vokatra tamin'ny Alahady ho toy “fandresena iray tsy lavorary.” Soratany fa na eo aza ny fanahy mifety avy amin'ireo mpanohana an'i Chávez tamin'ny alin'ny Alahady, nahatsiaro ho “somary nietry kely ihany” izy:

satria naherin'ny enina tapitrisa ireo olona nanohana, tamin'ny fisafidianana an'i Capriles, ny fitiavan-tena (ny fampielezan-keviny dia nafantony amin'ny hampitsaharan'i Venezoela ny firaisany hina amin'ny firenena hafa) ary ny famotehana sy ny fivarotana ny fireneny.

Hadihadiany ny antony mampitombo ny hantsana misy eo anelanelan'ny mpanohitra sy Chávez. Avy amin'ny fomba fijeriny, “hanana hazondamosina kokoa ny fanoherana aorian'ireny fifidianana ireny” noho izany “tsy afaka ny hatoritory sy hitsotsotra ny revolisiona”:

Raha tsy resentsika ny kolikoly sy fanararaotam-pahefana mandritra ny vanim-potoam-pitondàna manaraka eo, dia mety ho verintsika ity revolisiona ity. Amin'izao fahavitàan'ny fifidiana izay ho filoha izao, fanontaniana roa lehibe no mipetraka ho antsika: Fomba ahoana no hanaovantsika izay hahalalim-pàka ny revolisiona, ary hahatanty lazon'ady ve izy io?

Supporters of President Hugo Chavez during the presidential elections on October 7, 2012. Photo by Alejandro Rustom. Copyright Demotix.

Mpanohana ny Filoha Hugo Chavez nandritra ny fifidianana izay ho filoham-pirenena natao ny7 oktobra 2012. Sary avy amin'i Alejandro Rustom. Fizakàmanana Demotix.

Antonio Aponte, avy ao amin'ny bilaogy Un Grano de Maíz [es], dia miarahaba ireo mpanohana mavitrika an'i Chávez noho ilay fandresena, saingy koa mijery ireo fanamby hoavy ho an'ny Revolisiona Bolivariana. Mandalina ihany koa ny elanelana zara raha misy eo amin'ireo mpanohana ny governemanta sy ny mpanohitra izy :

[…] de un 26% de diferencia en las elecciones presidenciales del 2006 pasamos a un lánguido 10%.  Perdimos casi 20% de nuestra votación, los análisis preliminares indican que los perdimos en los sectores pobres y sin aumentar la votación en los sectores de clase media.

¿Por qué la mengua? La respuesta reside en la esencia del Socialismo, sin comprenderla estamos destinados al fracaso: el Socialismo tiene como esencia al amor, a la relación fraterna, al sentido de pertenencia a la sociedad. El capitalismo tiene como esencia al egoísmo, a las soluciones individuales. Ese es el fundamento de la batalla, el egoísmo enfrentado en feroz lucha contra el amor, y hacia allí deben ir dirigidos nuestros esfuerzos.

[…] niala avy amin'ny elanelana 26% tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena tamin'ny 2006 isika dia tonga amin'ny 10%. Saika 20% be izao amin'ireo mpifidy antsika no very. Ny fandalinana savaranonando dia manome fa resy isika any amin'ny sarangan'ireo tsy ampy fivelomana ary tsy nahazo tany amin'ny saranga antonony

Fa naninona no nitambotsitra? Ny aty lalin'ny Sosialisma no misy ny valiny, rehefa tsy takatsika nyamin'io dia mizotra mankany amin'ny tsy fahombiazana isika : ny sosialisma no ain'ny fitiavana, ny fifandraisana ara-pirahalahiana, ny fahatsapana fahoe olon'ny fiarahamonina ny tena. Ny Kapitalisma koa miorina amin'ny fitiavantena, ny vahaolana ho an'ny isam-batanolona. Izany no fototry ny ady, ny fitiavantena mifandona anaty ady mangotraka amin'ny fitiavana, ary any amin'izany no tsy maintsy anompanantska ny ezaka ataontsika.

Fintininy amin'ny hoe ireo ‘revolisionera’ dia tsy mantsy maka faran'izay haingana ny ‘kolontsainan'ny fifanakalozan-dresaka': “Ny revolisiona iray tsy mifanakalo resaka, maty ho azy”:

El estudio, la discusión, deben ser las tareas principales de la sociedad. La ignorancia es contrarrevolucionaria. ¡Viva Chávez!

Ny fandratoam-pahalalàna, fifanakalozan-dresaka, no tsy maintsy asa fototry ny fiarahamonina. Mifanohitra amin'ny revolisiona ny tsy fahalalàna. Ho ela velona Chávez!

Fisaintsainana avy amin'ny fanoherana

Maro tamin'ireo bilaogera mpanohitra no nanaraka akaiky tamim-pientanentanana ny fampielezan-kevitr'i Capriles, amin'izay noheverina ho tahaka ny fotoana mendrika hisian'ny fiovàna tao Venezoela. Nalaky tamin'ny fanehoan-kevitra momba ireo vokatra ry zareo, nizara ny alahelony sy ny hadisoam-panantenany, nefa koa nanao jeritodika sy fandinihantena.

Ny bilaogera Alex Boyd miteny fa hoe izy dia ” tsy niandràndra velively vokatra hafa”. Mizara sarintanin'ireo vokatra izy no sady manampy fanamarihana iray mikasika ny hosoka amin'ny fifidianana:

Hugo Chavez trounced the opposition candidate again. Six years on, Chavez still is the choice of the majority of my countrymen. And that's OK, I don't have a problem with that. The good thing about it is that Henrique Capriles, Leopoldo Lopez, Ramon Guillermo Aveledo et al buried the phantom of electoral fraud in Venezuela. By claiming, repeatedly, that the system had been sufficiently audited, and that the opposition had managed to place witnesses in 100% of voting centres nationwide, there is no room for further entertaining the thought of fraud.

Manuel Silva avy ao amin'ny bilaogy No solo con la palabra [es] dia mihevitra fa iray amin'ireo zavatra ratsy indrindra nataon'ny mpanohitra nandritra ireo dingana ara-pifidianana maro samihafa ny tsy niomanany ho amin'ny faharesena. Na izany aza, manamafy i Silva fa tsy faharesena ara-politika akory ny fahombiazan'ny mpanohitra:

Aquí se perdió porque […] la mayoría de los venezolanos se identifica con esta forma de gobernar. Nosotros estamos dispuestos a aceptar el abuso y el atropello como forma de vida, naturalizamos la inseguridad, nos conformamos con la miseria, aceptamos gustosos vivir como lo hemos hecho en los últimos años: odiándonos.

Tsy nahomby isika satria […] ny ankamaroan'ny Venezoeliana dia maka taratra avy amin'ity governemanta [Chávez] ity. Isika vonona ny hanaiky fomba fiaina feno fanararaotana sy fanitsakitsahana antsika, nataontsika ho toy ny zavatra voajanahary ny tsy fandriampahalemana, nionona tamin'ny fahantrana isika, tam-pifaliana no nanekentsika hiaina tahaka izay niainantsika nandritra ireo taona maro lasa : mifankahàla.

Mandritra izany, raka ny lazain'ilay bilaogera Mirelis Morales Tovar avy amin'ny Caracas Ciudad de la Furia [es], tsy niana-desona tsara ny mpanohitra:

hay muchos que deben mirar un poco más allá. Venezuela no es Caracas, no es La Lagunita ni mucho menos Twitter. Somos un país divido en partes iguales y debemos aprender a mirar el otro lado.

Misy maro ireo mila mijery lavidavitra kokoa. Tsy Caracas akory i Venezoela, tsy i La Lagunita na  Twitter. Isika dia firenena iray voazara mitovy tsara ary tsy maintsy mianatra mijery ny ery ampita.

Milaza i Alejandro Tarre [es] fa tsy maintsy vonona ny mpanohitra ary miezaka manohy manolotra safidy ho an'ny Venezoeliana, amin'ny fieritreretana fa hoe ny “politika, tahaka ny fiainana ihany, dia tsy mihazohazo eo fa misosa” ary amin'ny Desambra ny Venezoeliana dia hifidy ben'ny tanàna sy governora:

La masa opositora está ahí; el reto es simplemente sacudirla hasta sacarla del estupor en el que se encuentra para luego movilizarla. Se ha dicho mucho que, después de su estupenda campaña, Capriles está en una posición ideal para asumir el liderazgo opositor y blindar la unidad. Pues bien, ahí tiene su primer reto. Ahora más que nunca necesitamos a nuestro rock star animando a la gente y recorriendo el país para apoyar a los candidatos a alcaldes y gobernadores.

Eo ny vahoaka mpanohitra, ny fanamby dia ny fandonana azy hatramin'ny fanesorana ny fihanahanàny ka hanetsehana azy avy eo. Be ny efa nambara fa hoe, taorian'ny fampielezan-kevitra goavana nataony, tsara toerana handray ny fitantanana ny mpanohitra i Capriles sy hanamafy ny firaisam-pirenena. Dia izay izany, io izao no fanambiny voalohany. Mihoatra lavitra noho izay tany aloha no ilantsika ny olo-malazantska amin'ny rock hankahery ny vahoaka sy hitety ny firenena hanohana ireo mpirotsaka ho ben'ny tanàna sy governora.

Ireo dia eritreritra vitsivitsy ihany avy amin'ny mpifanandrina ara-politika andaniny sy ankilany taorian'ilay fifidianana ho filoham-pirenena nafotaka sy nifanjevoana indrindra tato anatin'ny taona vitsivitsy. Be ihany koa ny fanehoan-kevitra nozaraina tao amin'ny Twitter, ilay sehatra mediam-bahoaka isan'ny tena safidin'ireo Venezoeliana mpikirakira aterineto fatratra

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Fifidianana 2012 tao Venezoela.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.