Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Blog Action Day Androany! Ndeha Hankalaza Ny “Herin'ny Isika”

Isan-taona, manambatra ny heriny ireo bilaogera manerana ny tany ary manoratra manodidina lohahevitra iray, aminà andro iray, mba handonana mpanjohy an-tapitrisany. “Blog Action Day” ny androany (15 Oktobra 2012) ary amin'ity taona ity ireo bilaogera rehetra manerana ny tany dia hibanjina ny “Ny Herin'ny Isika” – rehefa mifamory ny olon-drehetra mba hanova ny tontolo ho toerana iray mahatretrika. Ho fandraisana anjara, afaka manoratra ny bilaoginao ao amin'ny tranonkalan'ny Blog Action Day ianao. Manana liveblog sy  bilaogy Tumblr iray koa ry zareo izay hanarahany ireo fandraisana anjara rehetra. Ao amin'ny Twitter, ny tenifototra hanarahana azy dia ny  #BAD12.

Ao amin'ny Global Voices, azonao eritreretina hoe isanandro no Blog Action Day, satria mizara vaovao mandrakariva mikasika ny hetsika ety anaty aterineto sy ireo olona feno fahasahiana any rehetra any izahay. Tohananay mavitrika tokoa ny andro iray atokana hisaintsainana ny “ny herin'ny isika” sy izay mety ho fandraisana andraikitra maneho ny fomba ahafahan'ireo bilaogera miaraka mitondra fiovàna.

Ho havaozinay ity lahatsoratra ity mandritra ny tontolo andro, miaraka amin'ireo rohy mitondra amin'ireo fampidirana mampiasa ny #BAD12 avy amin'ireo mpandray anjara ato anatin'ny Global Voices.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.