- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Madagasikara: dingana lehibe no vitan'ny Global Voices amin'ny teny Malagasy

Sokajy: Afrika Mainty, Madagasikara, Fiteny, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Tanora
[1]

Anaran’ireo rehetra nandray anjara tamin’ny Tetikasa Lingua Global Voices amin'ny teny Malagasy

Vao avy napariaka ny lahatsoratra faha 5'000 [2] nadika amin'ny teny Malagasy ny tetikasa Lingua Global Voices amin'ny Malagasy [3]. Tamin'ny faha-12 Septambra 2007 [4] no niandohan'ity tetikasa ity ary ny teny Malagasy no fandraisan'ny fiteny Afrikana anjara voalohany amin'ny tetikasa lingua project [5]. Mahatratra 16 ankehitriny ireo mpandikateny Malagasy [6], anisan'izany ny mpandikateny isan'ny tanora indrindra anivon'ny Global Voices [7], dia ny namana Radifera Felana Candy [8] na @rf_candy [9] izay vao 16 taona monja fony nanomboka.