Mivory manoloana ny Biraon'ny Praiminisitra ao Tokyo isaky ny zoma, ny mpanao fihetsiketsehana “Tsy Mila Nokleary”. Nanamarika ilay mpanao gazety mpakasary Hajime Shiraishi, izay mitantana ny fahitalavitra an-tserasera Our Planet TV tamin'ny 6 Jolay 2012 fa ny zoro tsara ijerena indrindra ny mpanao fihetsiketsehana manerana ny arabe dia hatreny amin'ny Tafon'ny Lapan'ny Antenimieran-Gazety. Na dia izany aza, tsy navela haka sary tao izy satria tsy mpikambana ao amin'ny Fikambanan-gazety ofisialy.
Mpanao gazety malaza i Shirashi ary efa nahazo loka avy amin'ny vehivavy Japoney ao amin'ny Onjam-peo sy Fahitalavitra, sy ny Kongresin'ny Mpanao gazety ao Japan. Mihevitra izy fa zava-dehibe ho an'ny fahitalavitra OurPlanet TV ny maka ny sary sy ny fihetsik'ireo olo-pirenena mandray anjara amin'ny fihetsiketsehana manan-tantara, ka nandefa fangatahana teny amin'ny fitsarana izy mba ahazoany miditra ao amin'ny terasin'ny Antenimiera. Nolavin'ny fitsarana ao Tokyo anefa ny fangatahany tamin'ny 27 Jolay, ka nampiakatra izany fangatahany izany teo anivon'ny mpitantana ny Lapan'ny Antenimieran-Gazety indray izy.
Mampiseho an'i Shirashi niezaka niditra tao amin'ny tafon'ny Tranon-gazety tamin'ny 6 Jolay ny lahatsary amin'ity fahitalavitra Ourplanet TV ity.
Nanambara ny praiminisitry ny Fikambanan-gazety fa ampiasaina hanandratana ny Fahalalahan'ny fanaovan-gazety ny efitra ho an'ny mpanao gazety, saingy laviny ny fidiran'ny fampahalalam-baovao an-tserasera sy ny mpanao gazety tsy miankina amin'izany.
Naneho ny tsy fahafaliany amin'ireo fampahalalam-baovao mahazatra mpikambana ao amin'ny Fikambanan-gazety ny olom-pirenena tsotra, nahatsiaro izy ireo fa tsy voatantara araka ny tokony ho izy ny fihetsiketsehana “Tsy Mila Nokleary”.
120 taona izay no nijoroan'ity Fikambanan-gazety manan-tantara ity. Na dia izany aza, mihevitra i Shiraishi fa manàkana ny fifaninanana malalaka ny fanilikilihana ny Aterineto sy ny mpanao gazety tsy miankina. Mitaky izy mba “hampiasaina amin'ny ara-drariny ny tranobem-panjakana, ho fiarovana ny zo fototra hahazoan'ny vahoaka vaovao.”
Dikan-teny famintinana ny lahatsoratra tao amin'ny Ourplanet TV [ja] ity lahatsoratra ity izay ambanin'ny alalana Creative Commons License.
8 hevitra
Nanoratra toy izao tao amin’ny rindrin’ny Facebook-ko aho : Novaiko moa ny lohatenin’ity lahatsoratra ity, fa lasa nampieritreritra ahy ny nahitako azy ity. Sao itony ary no niteraka ny antsoina hoe “holafitra” amin’ny sehatr’asa samihafa teto amintsika. Raha ny fahalalako dia noho ny revolisiona 1972 no tena niteraka ireo karazana holafitra ireo ary ny tena fantatsika indrindra, ohatra dia ny holafitry ny dokotera sy ny holafitry ny mpanao gazety. Japana kosa, naka tahaka tamin’ny Alemana, tonga hatramin’ny fisiana Lapa ho an’ny “Holafitra” raha jerena eto amintsika eto Madagasikara. Mila fanazavana toy izay angamba vao mety hazavazava amintsika kokoa ny tian’ny lahatsoratra holazaina. Lapa izay raha novakiana ny lahatsoratra dia ny fanjakana no tompon’ny trano fa tsy hoe manofa na ny tahaka izany…