- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Pakistana: Nanafika An'i Malala Yousufzai Ireo Mpivavaka mahery fihetsika

Sokajy: Pakistana, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

Naratra mafy [1]ilay tovovavy 14 taona mpiaro ny zon'ny vehivavy handeha hianatra, Malala Yousufzai.

Nifanehatra tamin'ny Talibana i Malala, ka nifatratra tany aminy ny bala tamin’ izy handeha hody avy nianatra [2]. Nitsofoka tany anatin'ny tendany ny bala ka atahorana mafy ny ainy noho izany. Nanambara ny fampahalalam-baovao fa [3] efa tafala soa aman-tsara tao anatin'ny tendany ilay bala, ary tsy misy atahorana intsony ny ainy ankehitriny.

Iza i Malala Yousufzai?

Vehivavy monina ao amin'ny lohasahan'i Swat [4] i Malala Yousufzai ary mpikatroka mafana fo amin'ny fiarovana ny fampianarana ho an'ny vehivavy. Miaro mivantana ny zon'ny vehivavy handeha an-tsekoly izy. Fanampin'izany, nitsikera ampahibemaso ny fanafihana ataon'ny Talibana amin'ireo vehivavy mpianatra ao amin'ny lohasahan'i Swat ihany koa izy.

Sary tao amin'ny youtube.com [5]

Niseho teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena izy nanomboka ny taona 2009 raha namoaka lahatsoratra (gazety) ho an'ny BBC URDU.  Nalefa voalohany tao amin'ny BBC URDU ny “Diarin'ny mpianatra vavy Pakistaney iray [6]tamin'ny alalan'ny solon'anarana “Cul Makai’. Miresaka momba ny habibiana ataon'ny Talibana amin'ny fianaran'ny vehivavy ao amin'ny lohasahan'i Swat ny lahatsoratra.

Nandritra ny fotoana nifehezan'ireo mpahery fihetsika ny lohasahan'i swat, noterena nohidiana ny fianaran'ny vehivavy ary nomena natokana ho an'ny lehilahy ihany ny zo hianatra. I Malala no nanoratra momba ny habibiana ataon'ny Talibana. Indreto sombiny vitsy tamin'ny lahatsoratra navoakany:

Mpianatra 11 ihany no tonga nianatra tamin'ireo 27. Nihena ny isa noho ny habibian'ireo Talibana. Nifindra tany Peshawar, Lahore sy Rawalpindi  ireo namako telo, niaraka tamin'ny fianakaviany taorian'izany habibiana izany.

Nosafidin’ [7]ny Fikambanana mpiaro ny zon'ny Ankizy tamin'ny taona 2011 (Kids Right Foundation) mba hifaninana tamin'ilay Loka Iraisam-pirenena momba ny Fandriampahaleman'ny Ankizy ihany koa i Malala Yousufzai.

Izy no mpitondra tenin'reo vehivavy an'arivony te-hahazo fampianarana, ka handray ny andraikiny eo amin'ny fampandrosoana ny fiarahamonina.

Ny Anton'ny Fihetsik'ireo Taliban

Nanaiky hiantsoroka ny andraikitra amin'ity zavatra mampihorokoditra ity ny vondrona mpampihorohoro voaràra, Tehrik e Taliban Pakistan (TTP) [8]. Nilaza ilay vondrona fa fampielezana refy [9] eo amin'ny fiarahamonina ny zavatra ataon'i Malala ary ‘na iza na iza no mbola manao asa na fihetsika tahaka izany dia mbola hokendren'ny TTP foana’. Nilaza ihany koa ny solotenan'ny Taliban [9] fa “homen'i Shariah baiko hovonoina avy hatrany izay rehetra mitarika fanentanana manohitra ny Islamo sy ny Shariah.”

Hoy ny mpitondra tenin'ny TTP, Ehsanullah Ehsan, nanambara tamin'ny fanadihadiana natao azy [10]:*

Nanjary olomangan'ny kolontsaina Tandrefana ao amin'ny faritra i [Malala]…[ara-drariny ny fanafihana natao azy satria] mampiroborobo ny kolontsaina Tandrefana ao amin'ny faritra pachtun izy.

[11]

Mpikatroka ao amin'ny Ligim-behivavy Minhaj-ul-Quran milanja ny sarin'i  Malala Yousaf Zai  no sady mihirahira teny filamatra manohitra ny fanafihana. Sary avy amin'i Owais Aslam Ali. Copyright Demotix (10/9/2012)

Fanehoan-kevitry ny olom-pirenena

Voatsikera manerana ny tontolon'ny fiarahamonina ny fanafihana niseho. Na dia sioka iray aza tsy nahitana fanohanana ny fihetsika vitan'ny Talibana tamin'ny famonoana ity zazavavy tsy manan-tsiny 14 taona ity.

Nanameloka ity fanafihana ity ny mpiserasera:

@SabahatMS [12]:Loza ho an’ i Mollah Islamo ny Rimsha Masih 11 taona & tahotra ho an'ny Islamo Talibana i  Malala Yosufzai 14 taona! #Disgusting [13]#Pakistan [14]

@EeshAsh [15]: Fihetsika hatraiza no mety ho vitan'ny #Taliban [16]? Hivavaka ho an'i #Malala [17] avokoa isika rehetra. Hanome fahasalamana azy haingana anie Allah

Mubashar Shah naneho hevitra hoe [18]:

Zanaka Pakistana i Malala Yousafzai ary zanak'izao tontolo izao ihany koa. Hitahy anao anie ny *Tompo* .

Pervez nilaza hoe [18]:

Olona tsy manam-paharoa i Malala Yousufzai ary mahery fo raha ny taonany no jerena. Voahozona ny TTP saingy ireo tena ambadiky ny TTP tena voahozona avo roa heny.

Nanao vavaka marobe ny mpiserasera mba ho salama tsara i Malala. Nisento ary nahazo aina avy hatrany izy ireo vao nahare fa tsy atahorana intsony ny ain'i Malala..

Feroz nanoratra hoe [19]:

Inoako fa hisy fiantraikany mahery vaika ny fihetsika na ohatra nasehoan'i Malala ary hanahaka an'i Malala mba hanam-panahy avokoa ny tanora ankehitriny. Tokony ahataka amin'ny fomba rehetra ireo izay miezaka manosika an'i Pakistan anaty vanim-potoana fahagolan-tany (âge de la pierre). Malala, mivavaka ho anao izao tontolo izao mba ho sitrana haingana ianao.

Ambany dia ambany ny tahan'ny fahaiza-manoratra sy mamaky tena ao Pakistan 45% [20] (2009). Mbola hihena ambany be izany isa izany noho ny fandrahonana ataon'ny mpampihorohoro manohitra ny fampianarana ny vehivavy.

Nampatsiahy [18] ny fotoana niarahany tamin'i Malala Yousufzai i Adam B Ellick . Nentin'i Malala niaraka taminy hijery ny sekoliny efa rava sy potipotika izy. Ahitana soratra toy izao teo amin'ny rindrin'ny sekoliny: ‘Pakistan ity’. Raha nahita izany, hoy i Malala nilaza tampotampoka:

“Jereo! Pakistana ity. Namotika antsika ny Talibana.”