- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tontolo Arabo: Voatsikera ny Fandaharan'asan'i Romney Momba an'i Afovoany Atsinanana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Alzeria, Bahrain, Etazonia, Katara, Palestina, Syria, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika

Notsikerain'ny mpiserasera manerana ny tontolo Arabo ny kabarin'i Mitt Romney momba ny politika ivelany .

Mitohy hatrany ny fanontaniana ao amin'ny Twitter mikasika ny politika ivelan'i Etazonia ao Afovoany Atsinanana, araka ny nambaran'i Romney [kandidà Repoblikana amin'ny fifidianana filoham-pirenena hoavy izao] tao amin'ny Ivon-toerana Miaramila ao Virginia: Raha lany izy, dia vonona hampihatra politika ivelany “tena izy” ao Afovoany Atsinanana, mifanohitra amin'i Obama izay mijery sy miandry ny “fiovana lehibe” niaretan'ny faritra. Nilaza ihany koa izy fa hamatsy fitaovam-piadiana [1] ho an'ny mpikomy Syriana, farafaharatsiny ho an'ireo izay manohana ny foto-keviny.

Tao Venezoela, tsy faly ilay mpanao gazety Dima Khatib. Hoy izy nisioka [ar]:

ما كان ناقص غير مرشح رئاسي أمريكي كمان يستخدم سوريا في حملته الانتخابية للترويج لنفسه.. عأساس هو أحسن من أوباما !! كملت والله


@Dima_Khatib
: Tsy mba fahitanay izany hoe kandidà ho filoham-pirenena Amerikana mampiasa an'i Syria amin'ny fampielezan-keviny mba hanatsarany ny tenany sy mody hilazana fa izy no mendrika noho i Obama!!! Tapitra ny ahiahy

Ary hoy izy nanontany:

لسا في حدا بهالعالم ما مص دم الثورة السورية مشان مصلحة ما ؟


@Dima_Khatib
: Mbola misy olona tsy nitsentsitra ny ràn'ny revolisiona Syriana ho tombotsoany ve?

Alzeriana iray, Imad Mesdoua namazivazy:

@ImadMesdoua [2]: Fantatry #Romney tsara MENAl. Efa hitany i #Libya ary hevitra tsara ny eritreretiny eto, andeha hamatsy fitaovam-piadiana ao #Syria! #letmeknowhowthatworksoutforyou (ampahafantaro ahy inona no mety aminao)

Shadi Hamid, avy ao amin'ny Ivon-toerana Brooking Doha, ao Qatar, nanoratra hoe:

@shadihamid [3]:Mety ho zava-dehibe ny kabarin'i Romney momba ny Afovoany Atsinanana. Misy ny manantena fa mandrisika an'i Obama mba hanazava tsaratsara kokoa ny paikadiny manokana izany, izay toa hita fa tsy dia mazava tsara loatra.

Hoy izy nanampy:

@shadihamid [4]: Tena zavamisy ny adihevitra “fitarihan” ‘i Etazonia sy “mitarika avy any aoriana” ka tsy tokony hamaivanina. Fisalasalana tanteraka mikasika ny vahaolana avy ao Etazonia sy ireo fahefana momba mitoetra ao amin'ny tontolo Arabo.

Bahrainita mpikatroka zon'olombelona Maryam Al Khawaja nilaza hoe:

@MARYAMALKHAWAJA [5]: Tsaraina araka ny teniny, hitondra korontana eo amin'ny zon'olombelona ao amin'ny #GCC [Filankevi-piaraha-miasan'ny Helodrano] i  #Romney, ho ratsiratsy kokoa noho i #Obama… #bahrain

Nanaiky izany kosa i Blake Hounshell, tonian-dahatsoratra misahana ny politika ivelany:

@blakehounshell [6]: Teboka iray ifandraisan'i Romney sy Obama: Manaisotra ao anatin'ny lisitry ny revolisiona tohanan'i Etazonia an'i Bahrein.

Nisioka toy kosa i Qatari Shayma Al-Naimi, mpianatra ao Etazonia:

@iShayma [7]: Te hiresaka momba ny “zava-bitan'i Amerika” mikasika ny tantaran'ny filaminana i #Romney????

Ary hoy izy nanampy:

@iShayma [8]: Tena tsy mino izay nolazain'i i  #Romney amin'izao fotoana izao aho! Maharikoriko tanteraka. Mampalahelo ny mahita fa mbola misy ny olona manana fisainana tahaka azy.

Nanamarika ity Palestiniana iray, Iyad El-Baghdadi avy ao Dobai hoe:

@iyad_elbaghdadi [9]: Tamin'i Etazonia nampiseho karazana “fitarihana an'i Afovoany Atsinanana” farany teo, Irakiana 600.000 no namoy ny ainy. #Romney

Nanolotra marimaritra iraisana izy:


@iyad_elbaghdadi
: Ny atsasaky ny tosan-kevitra mandalo eto amiko milaza fa mitsentsitra i #Obama, ny atsasany hafa koa milaza fa mitsentsitra i #Romney. Ry namana, Mitovy hevitra aminareo aho.