- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Misaona Noho Ny Fahafatesan'ilay Senatera Alonso Lujambio Ny Meksikana

Sokajy: Amerika Latina, Meksika, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

Ny maraimben'ny 25 Septambra 2012, namoy ny ainy tao Meksika ny Senatera Alonso Lujambio Irazábal [1]. Nitantana birao maromaro ity mpahay politika sy mpianatra ambony manana ny maha-izy azy teny amin'ny oniversité ity, ohatra tamin'izany: Efa Fakan-kevitra tao amin'ny Ivon-toerana Federalin'ny fidianana [2] (IFE) izy; Mpanolon-tsaina misahana ny rafi-pifidianana ho an'ny Antenimieran-dalampanorenana ao Iràka tao amin'ny Firenena Mikambana (UN); Filohan'ny Vaomieran'ny Ivon-toerana federaly amin'ny fahazoam-baovao sy ny fiarovana ny tahirin-kevitra [3] [es] (IFAI); ary Talen'ny Sekretariàn'ny Fampianarana [4] [es] (SEP).

Teo amin'ny tontolon'ny oniversite, profesora tao amin'ny sekoly nanabe azy i Lujambio, izay tsy iza fa ny Ivom-pampianarana Teknolojia Meksikana Mizaka Tena  [5](ITAM), tao amin'ny  Oniversite Ibero-Amerikana [6], sy tao amin'ny Oniversite Nasionaly Meksikana Mizaka Tena [7] (UNAM).

Nahatonga ny Meksikana haneho ny alahelony sy ny fisaonany tao amin'ny Twitter ny fahafatesan'i Lujambio noho ny homamiadana [8].

Hoy ny filoha am-perinasa Felipe Calderón (@FelipeCalderon [9]) [es] nanamarika:

@FelipeCalderon [10]: Descansa en paz querido Alonso, te extrañaremos mucho. Seguiremos tu ejemplo de sensatez,alegría, honestidad,patriotismo y amor por la vida.

@FelipeCalderon [10]: Mandria am-piadanana ry namana Alonso, banga anao izahay. Arahinay ny ohatra tsara avy aminao toy ny fahendrena, fifaliana, fanetren-tena, fitiavan-tanindrazana, fitiavana sy ny fianana.

Ora fohy taty aoriana, nizara ny sarin'ilay senatora namoy ny ainy tamin'ireo mpanaraka azy ao amin'ny Twitter ny Tale Jeneraly.

 

Senator Alonso Lujambio and President Felipe Calderón [11]

Senatera Alonso Lujambio sy ny Filoha Felipe Calderón. Sary nozarain'i @FelipeCalderon tao amin'ny twitter.

@FelipeCalderon [12]: México pierde a un verdadero Hombre de Estado, un gran académico, un político honesto, un buen padre, un hombre leal… pic.twitter.com/VZQEljXu [13]

@FelipeCalderon [12]: Very olom-panjakana tena izy i Meksika, mpianatra ambony manana ny maha-izy azy, mpanao politika be fanetre-tena, ray mendrika, lehilahy mahitsy saina… pic.twitter.com/VZQEljXu [13]

Nalahelo noho ny fahafatesany ihany koa ny filoha voafidy Enrique Peña Nieto (@EPN [14]) [es] ka naneho hevitra toy izao manaraka izao:

@EPN [15]: Lamento el triste fallecimiento del Senador Alonso Lujambio, hombre dedicado al servicio de México. Mis condolencias a sus seres queridos.

@EPN [15]: Malahelo aho noho ny fahafatesan'ny Senatera Alonso Lujambio, lehilahy miasa mafy ho an'i Meksika. Mirary fampiononana ho an'ny fianakaviany.

Nitatitra ny vaovao vao maraina, mpiserasera Ayeye (@ayeshabo [16]) [es] nizara ny vaovao tamin'ny mpanaraka azy:

@ayeshabo: [17]Pues dicen que falleció Alonso Lujambio. RIP

@ayeshabo: [17]Eny, voalaza fa namoy ny ainy i Alonso Lujambio, mandria am-piadanana
Nofaritan'i Osvaldo Suarez (@paul_suco [18]) [es] toy izao manaraka izao ny asa vitan'i Lujambio:

@paul_suco [19]: Descanse en paz Alonso Lujambio, quien dedicó parte de su vida a fortalecer las instituciones pilares de la democracia mexicana.

@paul_suco [19]: Mandria am-piadanana Alonso Lujambio, natokany tamin'ny fanamafisana ny andrin'ny demokrasia Meksikana ny ankamaroan'ny androm-piainany.

Nanararaotra nampatsiahy i Jenaro Villamil (@jenarovillamil [20]) [es] fa kandidà tamin'ny fifidianana filoha i Alonso Lujambio  (miaraka amin'i Partido Acción Nacional [21]), izay norobahin'i Josefina Vázquez Mota [22] ny fandresena tamin'izany:

@jenarovillamil [23]: Fallece Alonso Lujambio. Sus últimas batallas: el cáncer, el poder desmedido de Elba Esther, y una frustrada candidatura presidencial

@jenarovillamil [23]: Namoy ny ainy i Alonso Lujambio. Ny ady farany nitolomany: homamiadana, ny fahefana tafahoatra teo amin'i Elba Esther, ary ny fampielezan-kevitra nandritra ny fifidianana filoham-pirenena feno hosoka

Mpanao gazety Joaquín López-Dóriga (@lopezdoriga [24]) [es] nanamarika fa herinandro maro lasa izay, nahazo mari-pankasitrahana avy amin'ny filoha Calderón i Lujambio:

@lopezdoriga [25]: Apenas el miércoles pasado el IFAI le rindió un homenaje a Alonso Lujambio encabezado por el presidente Calderón.

@lopezdoriga [25]: Vao tamin'ny Alarobia lasa teo, tonga nanome voninahitra farany an'i Alonso Lujambio ny IFAI, tarihan'ny filoha Calderón.

Araka ny tatitra avy amin'ilay  bilaogera Sopitas [26] [es], nandritra ny fankalazana ny Herinandrom-Pirenen'ny Fangaraharahana IX no nanaovana ny fanomezam-boninahitra farany an'i Alonso, hetsika arahin'ny Meksikana amin'ny alalan'ny tenifofotra #SNT2012 [27] ary voatsikaritr’ ity bilaogera voalaza eto ambony ity tamin'ny alalan'ny fidirana bilaogy [26] [es].

Mpanao gazety hafa, León Krauze (@Leon_Krauze [28]) [es], nanamarika toetra hafa ananan'ity Senatora nindaosin'ny fahafatesana ity:

@Leon_Krauze [29]: Historiador, biógrafo y hasta estudioso de la arquitectura, Lujambio era algo poco común: un hombre auténticamente culto en la política.

@Leon_Krauze [29]: Mpahay tantara, mpanoratra tantaram-piainana, ary koa mpianatra momba ny haitrano, olona tsy dia mahazatra i Lujambio  olona nahita fianarana ambony teo amin'ny sehatry ny politika.

Patricia Jinich (@PatriciaJinich [30]) [es] naneho ny fahadisoam-panantenany tamin'izy nahare ny fahalasan'ny Senatera:

@PatriciaJinich [31]Mampalahelo, mampalahelo, ô, tena vaovao mampalahelo. Mandriam-piadanana, Alonso Lujambio, profesora & mpanoro hevitra tsara indrindra manerantany. Ho banga anao izahay…

Tamin'ny 25 Septambra lasa teo no notontosaina ny fandevenana (amin'ny fomba amam-panao Meksikana, tsy fanao mandritry ny andro maromaro aorian'ny fahafatesany ny fandevenana, fa tonga dia halevina avy hatrany) ary tamin'ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity, nisy ny vaovao tsy ofisialy nivoaka fa nodorana ny fatin'i Alonso Lujambio tamin'ny 26 Septambra 2012.

Hajian-tsarin'ny Senatera Alonso Lujambio nandritra ny Herinandrom-Pirenen'ny Fangaraharana IX. Sary avy amin'i J. Tadeo, nahazoan-dalana.