Tantara tamin'ny 10 Oktobra 2012
Tolo-Tanan'i Frantsa Sy Ny Banky Mondialy Hanampy Ny Firenena Afrikana Hahay Hifampiraharaha Amin'ny Harena An-kibon'ny Taniny
Ho fankalazana ny tsingerin-taona faha-40 ny fifanaraham-piaraha-miasa ao anatin'ny Faribola Franc, dia namoaka taratasy iraisana ny filohan'i Côte d'Ivoire, Alassane Ouattara, sy ny minisitry ny vola Frantsay, Pierre Moscovici, hamaranana...
Etazonia : Ny Làlana Lavitr'ezaka Mankany Amin'ny Fandriampahalemana Araka An'i Aung San Suu Kyi
Aung San Suu Kyi [fr], endrika malazan'ny fanoherana Birmana sady nahazo ny loka Nobel ho an'ny Fandriampahalemana, dia nahazo ny loka Vaclav Havel avy amin'ny Human Rights Foundation, ho fankasitrahana fisintahana iray miharo famoronana, ao anatin'ny sehatry ny Freedom Forum tao San Francisco. Ny fandraisany anjara tamin'ilay vovonambe dia tafiditra ao anatin'ny fandaharanasa fitsidihana mandritra ny 15 andro eo ho eo any Etazonia izay nitondra azy hatrany amin'ny Trano Fotsy sy nanolorana azy ny Medalim-boninahitry ny Kaongresy.
Ejipta: Mahatsiaro An'i Maspero; Miandry Fampiharana Ny Lalàna
Nahatsiaro ny tranga namonoana olona nahatsiravina tao Maspero ny Ejiptiana androany, nianiana ny hamaly faty ny ràn'ireo maritiora sy hanao izay hitohizan'ny revolisiona (fiovàna). Ny 9 Oktobra tamin'ny taona lasa, Kristiana Copts 28 no maty ary 200 hafa naratra tamin'ny fanafihan'ny tafika ireo mpanao hetsi-panoherana teo ivelan'ny foiben-toeran'ny fampahalalam-baovaom-panjakana tao Maspero.
Repoblika Dominikana : Volavolan-dalàna Fanenjanana Kokoa Ny Fanasaziana Ny Tsy Ampy Taona
Nolanian'ny Antenimieram-pirenena ny Lalàna mikendry ny hampiakatra ny fanasaziana faratampony ho an'ny nahafaty olona mialoha ny fahafenoan'ny taonany izay mampiady hevitra fatratra. Saingy tsy maneho fanohanana ilay lalàna tahaka izany ny fiarahamonim-pirenena isan-karazany