- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Venezoela: Vahoaka Be No Nanatrika Ny Faradobok'i Capriles Tao Caracas

Sokajy: Amerika Latina, Venezoela, Fifidianana, Mediam-bahoaka

Tamin'ny Alahady 30 Septambra lasa teo, tonga marobe tao amin'ny araben'i Caracas ny mpanohana an'i Henrique Capriles [1] nandritra ny fampielezan-kevitra faradoboka. Mpifanandrina amin'ny filoha ankehitriny Hugo Chàvez i Henrique Capriles amin'ny fifidianana filoham-pirenena [2]androany 7 Oktobra.

Daniel Duquenal nanoratra tao amin'ny bilaoginy Venezuela News and Views [3]:

Araka ny efa nalefako tamin'ny sioka, izay nisy nizara imbetsaka (retweet) indraindray, sahiko ny milaza amin'ireo tsy manaiky ny fijeriko fa mbola tsy nisy fampielezan-kevitra midadasika toy izao teo amin'ny tantaram-pifidianana teto Amerika. Mbola tsy vonona tsara aho hiresaka “raharaha politika” hatramin'ny fifangaroan'ny revolisiona afaka mitatitra vahoaka marobe anaty sambo hidina eny an-dalambe. Mampanantena anao zavatra iray aho, tamin'ny zava-niainako efa lasa teto Venezoela, androany, nahatafavory olona iray tapitrisa FARAFAHAKELINY i Capriles ary ny atsasaky ny vahoaka no ao amin'araben'i Caracas. […] Nandritra ny ora maro, nivezivezy ny olona, na mandehandeha eny amin'ny làlan-tsamihafa. Hipoka olona ny araben'i Libertador, Solano,  Miranda, San Martin, sy ny sisa hafa. Nandritra ny ora maro.

Henrique Capriles presidential campaign closes in Caracas [4]

Mpanohana an'i Capriles tao amin'ny araben'i Caracas nandritra ny fampielezan-kevitra faradoboka tamin'ny 30 Septambra 30, 2012. Sary: Camilo Delgado Castilla, copyright Demotix.

Sary marobe nandritra ny famoriam-bahoaka no nozarain'ny Venezoeliana tao amin'ny Youtube. NoticiaTube [5] nandrakitra ity lahatsary manaraka tao amin'ny araben'i Bolívar ity:

http://www.youtube.com/watch?v=8Qo3Wx5Ings [5]

Nizara lahatsary tao amin'izany araben'i Caracas izany ihany koa i Fashionauta [6]:

http://www.youtube.com/watch?v=xS8Iqdu03vo [6]

Nandritra ny fotoana, David Hernández [7] nandrakitra lahatsary tamin'ny fahatongavan'i Henrique Capriles:

http://www.youtube.com/watch?v=fHCttd8okOM [7]

Taminà lahatsary somary lavalava, hoy i Luis Carlos Díaz [6] nanazava:

El acto de campaña se realizó en la avenida Bolívar, donde se encontraron 5 marchas que partieron desde distintos puntos de la ciudad. Estuvimos en la olla. Chávez cerrará allí también el 4 de octubre.

Notontosaina tao amin'ny araben'i Bolivar ny fampielezan-kevitra,  diabe 5 samihafa izay niainga tamin'ny toerana isan-karazany no niara-tonga tao an-tanàna (Caracas). Tafahoana eto afovoany avokoa izahay rehetra. Eo amin'io toerana io ihany koa no hanatontosan'i Chávez farany ny fampielezan-keviny famin'ny 4 Oktobra.