- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Venezoela: Famoriam-bahoaka Miezinezina No Nanankatonan'i Chávez Ny Fampielezan-kevitra tao Caracas

Sokajy: Amerika Latina, Venezoela, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika

Tao Caracas no nanatanterahan'ny  filoha Hugo Chávez ny  faradoboka [1] amin'ny fampielezan-keviny tamin'ny 4 Oktobra. Na dia avy aza ny orana, mbola tonga marobe nameno ny arabe tao Caracas ihany ireo mpanaraka azy, sady manofahofa saina no miventsoventso hira  fanohanana ny filoha alohan'ny androm-pifidianana amin'ny 7 Oktobra.

Hoy ny teny anglisy ao amin'ny El Universal nitatitra [2]:

Kabary naharitra 32 minitra no nataon'ny [Filoha Chávez], notsipihany tamin'izany ny hafatra izay efa nampitàiny tamin'ny fampielezan-keviny taloha: fa “tandindonin-doza ny fiainan'i Venezoelà, ka hirotsaka hofidiana izy ho kandidà amin'ny hoavy.”

Manoloana ny orambe, hoy i Chávez nilaza: “Nandro tamin'ny ranon'orana avy amin'ny Masindahy François isika. Mahatsiaro tahian'Andriamanitra isika amin'ity orana ity. Fambara amin'izay hoavy amin'ny Alahady izao. Tahaka ny hoe tsy maintsy handresy i Chávez amin'ny 7 Oktobra izao. “

Hugo Chavez closes his campaign in Caracas [3]

Tao Caracas no nanakatonan'i Hugo Chavez ny fampielezan-keviny tamin'ny 4 Oktobra 2012. Sary avy amin'i Nelson González Leal, copyright Demotix.

Maro tamin'ireo nanatrika ny faradoboka no nizara sary tao amin'ny YouTube, tahaka an'i Edwardo Flowers Aguilar [4]:

Amin'ity lahatsary manaraka ity, izay narakitry karinisab, [5] rentsika ato ny hirahiran'ireo mpanaradian'ny filoha Chavez: “Chávez no se va” (“mbola eo foana i Chávez”) izay eo am-piandrasana lamasinina handeha hanatrika ny  fampielezan-keivtra:

http://www.youtube.com/watch?v=nJkjw9gHvZw&feature=youtube_gdata_player [6]

Naka sary ny fientanam-pon'ireo mpanohana an'i Chàvez i ColectivoRc [7]:

http://www.youtube.com/watch?v=nzRaEdu4QfY&feature=youtube_gdata_player [8]

Nizara lahatsary mitovy ny an'i  Esso Álvarez ihany koa i Daguerrotipo2009 [9].

Lahatsary hafa mikasika ny Fanadihadiana Venezoelana [10].