- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kiobà: Noafahana Ry Yoani Sánchez Rehefa Notazonina 30 Ora

Sokajy: Amerika Latina, Karaiba, Kiobà, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

Noafahana ny zoma 5 oktobra tamin'ny sivy orana alina ora EST rehetra notazonin'ny polisy tao Havana, Kiobà vonijmaika, taorian'ny nitazonana azy tany amin'ny tanàna iray any atsinanana antsoina hoe Bayamo ny omalin'io ny bilaogera kiobàna fanta-daza Yoani Sánchez sy ny bilaogera isany Agustín Díaz sy Reinaldo Escobar (vadin'i Sánchez). Taoriana kelin'izany, nisioka i Sánchez [1],

@YoaniSanchez: #Cuba [2] Acabamos de ser liberados!! 30 horas de arresto y muchas anecdotas que contar 🙁

@YoaniSanchez: #Cuba [2] Vao navotsotra izahay!! notazonina 30 ora ary maro zavatra tian-ko zaraina 🙁

Ny bilaogera Yoani Sánchez. Sarin'i Andre Deak ary navoaka indray noho ny alalana CC-BY-2.0.

 

Nizotra nankany Bayamo ry Sánchez sy ireo mpitovy asa aminy nanatena hanatri-maso sy hitatitra ny fitsarana an'i Angel Carromero, teratany Espaniola voampanga ho namono olona tsinahy [3] tamin'ny lozam-pifamoivoizana nahafaty ilay mpiaro ny demokrasia malaza Oswaldo Payá [4] sy ilay mpikatroka Harold Cepero. Nizotra ho any Kiobà i Carromero tamin'ny volana jolay hihaona amin'ny mpandala ny zon'olombelona ao amin'ny nosy. Nisioka i Sánchez [5] fa ny fikasany dia ny hanangom-baovao tamin'ilay fotoam-pitsarana.

@YoaniSanchez: #Cuba [2] Mi intencion era totalmente periodistica. Asistir al juicio a @angelcarromero [6] y reportar desde #Bayamo [7] a traves de mi cuenta #Twitter [8]

@YoaniSanchez: #Cuba [2] Fanaovan-gazety madiorano ny fikasako. Hanatrika ny fitsarana an'i @angelcarromero [6] sy hitati-baovao avy any #Bayamo [7] mampiasa ny kaonty #Twitter [8] -ko.

Taorian'ny nanafahana azy dia niezaka ny hanara-baovao momba ny fitsarana an'i Carromero an-tserasera i Sánchez. Nosiahany [9] fa “tsy misy dikany” raha oharina tamin'izay nanjo ny fianakaviana Payá ny momba ny fisamborana azy.

@YoaniSanchez: #Cuba [2] Ny vaovao mampalahelo sady manan-danja indrindra dia lasana ny fianakaviana @oswaldopaya [10]. Maivana dia maivana ny fisamborana anay raha oharina tamin'ny nahalasanan-dry zareo.