- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Venezoelà: ‘Endrika sy Feo’-n'ny Andaniny Sy Ankilany Amin'ny Fifidianana

Sokajy: Amerika Latina, Venezoela, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika, Saripika

Namoaka rakitsary an-tserasera izay “manome feo ho an'ny andaniny sy ankilany mpanohana an'i [Hugo] Chávez sy i [Henrique Capriles]” ny mpaka sary Portiogey Eduardo Leal [1].” Ao amin'ny ‘Endrika sy Feon'ny Fifidianana Iray’ [2] no pihan'i  Eduardo ny eritreritra sy ny tsinapan'ny vahoaka Venezoelana araka izay hanazavan-dry zareo izay hofidiany mandritra ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny Alahady 7 Oktobra 2012.

Ataony teny fampidirana ao amin'ny rakitsariny ny ambangovangon'ny 14 taona nitondran'ny filoha Hugo Chávez:

Tamin'ny fahatongavany teo amin'ny fitondrana nitondra ny sosialisma vaovao no nanova endrika ny firenena, izay nalaza tamin'ny hatsara-tarehin'ny mpifaninana ho oliravina sy amin'ny maha-toerana nahaterahan'i Simón Bolivar, mpanafaka an'i Amerika Latina azy teo aloha.

Najoro ny fanavaozana socialy, nanampy ny mahantra nitombo isa hanana fonenana sy fandaharam-pianarana. Omena feo ireo tsy nahazo izany mihitsy.

[2]

Dionisio Escalona, 25, mpanety. “Hifidy an'i Hugo Chavez aho satria azony izay lazain'ny vahoakany ary nomeny feo ny vahoaka venezoelana.”Copyright Eduardo Leal. Nahazoana alalana.

Notohizan'i Eduardo ny fanazavana fa, kely indrindra ny fanoherana, nandritra ny fotoana maro nitondran'i Chávez. Ny fanoherana izay “avy amin'ny saranga ambny nianoka tombontsoa maro tao amin'ny firenena manankarena solika nandritra ny taompolo maro,” araka ny filazany. Saingy navoitran'i Eduardo fa, nitombo [tsikelikely] hatrany ny fanoherana an'i Chávez rehefa nihanivandravandra ny olana isan-karazany.

Tonga tany amin'ny dingana mbola tsy nahitana azy hatramin'izay ny herisetra, izay mametraka an'i Caracas ho eny amin'ny faratampon'ny tanàndehibe mampidi-doza indrindra manerantany. Niteraka rivo-baovao sy nampahazo vahana ny fanoherana ny fahatapatapahan'ny herinjiro sy ny sakafo, ny fidangan'ny vidim-piainana ary ny kabary mivaivay nataon'ny Filoha.

[2]

Josiris Rivas, 39, Mpampianatra. “Hifidy an'i Henrique Capriles aho satria mila fanovana. Ny herisetra an-dalambe, ny rafi-pahasalamana sy fampianarana ambany kalitao, tsy fananan'asa, ny fidangan'ny vidim-piainana sy ny antony maro hafa. Lava loatra ny 14 taona, jadona izao. Miafina saingy jadona no misy.” Copyright Eduardo Leal. Nahazoana alalana.

Indry i Eduardo miresaka ny fisarahan'ny fiaraha-monina Venezoelana:

Ny mpanohana an'i Chávez, fantatra amin'ny hoe Chavistas, etsy ankilany ary ny etsy andaniny kosa ny mpanohitra dia ahitana tsy ny saranga antonony sy ambony fotsiny tahaka ny teo aloha, fa ahitana ny olo-tsotra rehetra mahatsapa fa mila fiovana ny firenena.

[2]

Jorge Amarista, 19, Mpianatra. “HIfidy an'i Capriles aho satria mino ny firenena mila ny rehetra aho ary amin'ny fotoana tsy manohana ny fitondrana ianao dia jereny ho tahaka ny mpamadika ny firenentsika.” Copyright Eduardo Leal. Nahazoana alalana.

Ataony ho fanoharana i Henrique Capriles, mpanohitra an'i Chávez, ho tahaka ny tavan'ny “fijoroan'ny mpanohitra” sy “ny iray sambany afa-mifanindry hery amin'ny filoha Hugo Chávez.”

[2]

Maria de Lurdes Polido, 49, mpiasa sosialy. “Hifidy ny Comandante Chavez aho satria ny filoha no nanome vahaolana amin'ny olan'ny olona tahaka ny fahasalamana, fanabeazana ary fonenana ary amin'ny sehatra iraisampirenena nanangana fiaraha-miasa eo amin'ny firenena Amerikana Latina”. Copyright Eduardo Leal. Nahazoana alalana.

Amin'ny alalan'ity tetikasa ity i Eduardo no tia “hanangana fifankahazoana amin'izay eritreretin'ny vahoaka Venezoelana amin'ny fanovana sy ny fanantenany ho an'ny Firenena.”

Tsidiho ny rakitsariny an-tserasera [2] raha te-hijery sy hamaky ny ‘Tava sy Feon'ny’ Venezoelana.

Azonao atao ihany koa ny manaraka ny asan'i Eduardo amin'ny alalan'ny Twitter (@Eduardoleal80 [3]), Facebook [4], ary Tumblr [5].

Naoty: Tonga tany amin'ny asan'i Eduardo tamin'ny alalan'ny lahatsoratr [6]‘i Francisco Toro ao amin'ny bilaogy Caracas Chronicles.