- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: “Avelao Any I Syria, Mba jereo Ny Aminay”

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna
[1]

Mpitandro filaminana any Teheran ny 3 Oktobra 2012, Loharano: Greencity

Tsy nisy tranombarotra nivoha [2]tany amin'ny Tsenaben'i Teheran ny Alakamisy 4 Oktobra 2012, andro iray taorian'ny nanaovan'ireo mpitàna tranombarotra sy ireo mpivarotra fitokonana [3] hanoheran'izy ireo ny fitotongan'ny sandam-bolam-pirenena tato ho ato [4] ny Alarobia. Namoaka lahatsary maro mikasika ireo fitokonana tamin'ny Alarobia; ny fisian'ireo mpitandro filaminana tany amin'ireo faritry ny tsenabe, sy ireo tranombarotra nihidy ireo Iraniana mpampiasa aterineto. Kalmeh, vohikalan'ny mpanohitra dia mitatitra [5]fa mpanao fitokonana maro no voasambotra tamin'ny Alarobia.

“Avelao i Syria ho any, mba jereo ny aminay”

Nihoraka ny vahoaka “Avelao i Syria ho any, mba jereo ny aminay” tany amin'ny Kianjan'ny Toopkhone tany Teheran. Nanambara imbetsaka ny Fanjakana Iraniana fa manohana ny fitondrana Syriana, ary ireo tatitra-nà vaovao farany milaza fa namindra [6] $10 lavitrisa dollars tany amin'i Syria i Iran. Vaovao mampitroatra izany satria anatin'ny fotoana hararian'ny vahoaka Iraniana noho ny vokatry ny krizy ara-toekarena lalina nateraky ny sazy iraisam-pirenena mihatra amin'Iran.

Ireo Mpitandro filaminana tany amin'ny Tsenaben'i  Teheran

“Tokony hidina ny sandan'ny Dollar”