Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

06 Oktobra 2012

Tantara tamin'ny 06 Oktobra 2012

Pero: Mampidi-doza Ny Rano Any Iquitos Ny Voly Tokana

Amin'ity lahatsoratra fahatelo sady farany momba ny olana mikasika ny rano any amin'ny tanànan'i Iquitos ity dia afantokay amin'ny voly tokana any amin'ny reniranon'i Nanay sy ny fifanoherana amin'ireo izay manohana ity karazam-boly ity sy ireo tsy mankasitraka izany.

Kiobà: Nosamborina Ny Bilaogera Yoani Sánchez

GV Mpisolovava

Nosamborina omaly alina tany amin'ny farintany atsinanan'i Bayamo, izay nizorany hanatrehany sy hitaterany ny fitsarana an'i Angel Carromero, teratany Espaniola voampanga ho namono olona tsinahy noho ny lozam-pifamoivoizana nahafaty ilay mpiaro ny demokrasia malaza Oswaldo Payá sy ilay mpikatroka Harold Cepero, ilay Kiobàna bilaogera efa nahazo loka sady mpiaro ny zon'olombelona Yoani...

Fiarahan'ny Besinimaro Mametraka An-tSarintany Ao Venezoelà

Tsy maintsy hoe ho betsaka ihany ny olona no hisioka, hilaza vaovao farany amin'ny Facebook ary hamoaka lahatsoratra momba ny fifidianana filoham-pirenena any Venezoelà amin'ity faran'ny herinandro ity -ary maro ny hampiasa ny fitaovam-pampitam-baovao sosialy hitaterany iza fihetsika tsy mety na herisetra hitany. Misy Fandraisana an-tanana atao-na olom-pirenena vitsy hametraka...

Iran: “Avelao Any I Syria, Mba jereo Ny Aminay”

Tsy nisy tranombarotra nivoha tany amin'ny Tsenaben'i Teheran ny Alakamisy 4 Oktobra 2012, andro iray taorian'ny nanaovan'ireo mpitàna tranom-barotra sy ireo mpivarotra fitokonana hanoheran'izy ireo ny fitotongan'ny sandam-bolam-pirenena tato ho ato ny Alarobia. Namoaka lahatsary maro mikasika ireo fitokonana tamin'ny Alarobia; ny fisian'ireo mpitandro filaminana tany amin'ireo faritry ny tsenabe,...

Ejypta: Ankizy Roa Notànana Ho Nanao Faniratsirana

Ankizy roa, sivy sy 10 taona, no notànana tao Ejypta, satria nolazaina fa nandrovitra avy amin'ny Kor'any ka nipisy tamin'izany. Tao an-tanàna ao Beni Souef, ao antampokavoana ao Ejypta, no niseho ny tantara, mpitondra fivavahana salafista no nametraka ny fitoriana ireo ankizy. Araka ny voalazan'ny fehezan-dalàna famaizana Ejypsiana, sokajiana ho heloka ny...

Danemarka: “Arahabaina Nisara-Panambadiana” Amin'ny Banky Lehibe

“Tena vonona haka  vola eto marina ve ianao?” Toy izany ny fanontaniana tazana manerana ny “milina fakàna vola” isaky ny banky lehibe ao Danemarka nandritra ny volana Septambra. Fanentanana mandritra ny andro fankalazana ny ‘Androm-Piovàna Banky izay nanomboka tamin'ny 1 Oktobra izany. Olom-pirenena tsotra no tompon-kevitra tamin'ny fanentanana amin'ny “Androm-Piovàna Banky’...

Venezoelà: ‘Endrika sy Feo’-n'ny Andaniny Sy Ankilany Amin'ny Fifidianana

Namoaka rakitsary an-tserasera izay “manome feo ho an'ny andaniny sy ankilany mpanohana an'i [Hugo] Chávez sy i [Henrique Capriles]” ny mpaka sary Portiogey Eduardo Leal.” Ao amin'ny ‘Endrika sy Feon'ny Fifidianana Iray’ no pihan'i  Eduardo ny eritreritra sy ny tsinapan'ny vahoaka Venezoelana araka izay hanazavan-dry zareo izay hofidiany mandritra ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny...