Nahazo fango vaovao ny Mpirahalahy Miozolomana any Ejipta. Mizara ny heviny – sy ny esoeso – amin'ireo antoko taloha nisy ny filoha Mohammed Morsi ity ny mpiserasera.
Ramy Yaacoub misioka ny nahitany azy voalohany:
@RamyYaacoub: The new, modernized Muslim Brotherhood (#MB) logo, you can find it on their newly refurbished official facebook page
Fango vaovao, maoderina an'ny Mpirahalahy Miozolomana, hitanao ao amin'ny pejy ofisialiny vao nohavaozina izy io.
Nozarainy io sary (ambany ankavanana) io.
Nandranitra i Con O'donnell [nandray antsipika]:
@kanaafa: so progressive! A Quran above a cross, in a circle.
Mivoatra aa! Kor'any ambonina vokovoko, anaty faribolana.
Ary nanampy i Nevine Henien:
@BeeboHenien: Oh, what a pretty shade of green! Not at all threatening. I'm completely reassured & confident in their capabilities now. #MB
oh! tsara izany sabatra maitso izany! tsy mampatahotra mihitsy. Matoky sy tsara antoka amin'izay ho vitany aho ankehitriny. #MB
Mitaraina i Reem Abdellatif:
@Reem_Abdellatif: The swords hv always been disturbing. Why do #MB use a symbol of aggression? And does this fit w/ ‘Freedom & Justice?’
Nanohina hatrany ny sabatra. Nahoana ny #MB no mampiasa marika famelezana? Inona ny mampiaraka ireo amin'ny Fahafahana sy ny Rariny?
Mandritra izany fotoana izany, manana fango fisolo ho an'ny Mpirahalahy i Mostafa Hussein:
@moftasa: I proposed this redesign for the MB logo but they didn't like it.
Nanolotra ity endrika vaovao ity aho ho an'ny MB saingy tsy tian-dry zareo ilay izy

Tolo-kevitra Fango vaovao ho an'ny Mpirahalahy Miozolomana nataon'i @moftasa ao amin'ny Twitter