Tantara tamin'ny 05 Oktobra 2012
Hianjera Noho Ny Sandam-Bolany Ve Ny Fitondrana Iraniana?
Nidina hatrany amin'ny ambany indrindra ny rial iraniana ny talata 2 Oktobra 2012. Tonga 34.500 rials ny takalon'ny dollar amerikana iray.
Ejipta: Masiaka Ve Ny Fango Vaovaon'ny Mpirahalahy Miozolomana?
Nahazo fango vaovao ny Mpirahalahy Miozolomana any Ejipta. Mizara ny heviny - sy ny esoeso - amin'ireo antoko taloha nisy ny filoha Mohammed Morsi ity ny mpiserasera.
Koety: Tifi-Basilava Atao Amin'ny Mpanao Fihetsiketsehana Tsy Mizaka Zom-Pirenena
Nanapa-kevitra ny hanao fihetsikatsehana amin'ny fitakiana fizakàna zom-pirenena mandritra ny andron'ny tsy fampiasana herisetra iraisampirenena amin'ny 2 Oktobra 2012) ny vondrom-piarahamonina tsy manana fanjakana mpiahy. Nanao fihetsiketsehana tsindraindray [an-tserasera sy andavanandro] ny vondro-piarahamonina hatramin'ny Febroary 2011. Tao anatin'izay roa taona izay dia efa nisambotra mpanao fihetsiketsehana mihoatra ny 200, namorona fiampangana hanamelohana...
Espaina : Tsaraina Noho Ny Nahatrarany Kolikoly Ny Mpanao Gazety Roa Any Catalan
Hotsaraina any Catalan,Espaina amin'ny 27 Septambra, i Albano Dante sy i Marta Sibina, tonian-dahatsoratry ny gazetiboky Cafè amb Llet. Nampangain'ny mpanolotsain'ny filohan'i Catalan ho nanala baràka ireo mpanao gazety rehefa nilaza fa misy mpiasam-panjakana ambony voarohirohy ao amin'io kolikoly amin'ny rafitra ara-pahasalamana io.