- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Aostralia : Nampiasaina nitadiavana ilay vehivavy nanjavona ny tambajotra sosialy

Sokajy: Oseania, Aostralia, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka

Fanankotrihina 3 oktobra 2012 :

Ny Asabotsy 29 septambra 2012 lasa teo, olona 30 000 no nandray anjara tamin'ny diaben'ny fandriampahalemana nanerana ny Sidney Road, tao Melbourne Brunswick, izay nahitana an'i Jill Meagher farany. Taorian'ny filazana ny fahafatesany dia maro ny pejy facebook mitondra ny lohateny hoe “R.I.P Jill Meagher” (Mandria am-piadanana) nipoitra.

Pejy iray “notiavin'ny” olona mihoatra ny 300 000 ary indro [1] mandravaka ny fotoana mampihetsi-po.

Peace march [1]
“Diaben'ny Fandriampahalemana androany,mety ho heni-boninahitra noho izao i Jill”, hita ao amin'ny pejy “R.I.P. JIll Meagher (Mandria am-piadanana)”

Nisy olana ara-pitsarana roa nitranga. Tsy maintsy nifanaraka tamin'ny Facebook ny polisy hanesorana ireo pejy FB nanivaiva mba hanesorana ireo pejy ireo. Nahiana ihany koa izy ireny hanohintohina ny fitsarana tsy mitongilana [2].

Eo amin'ny olana ankapobeny indray, tsy maintsy miady hevitra momba ny fifandrohizan'ny tambajotra sosialy amin'ny lalàna ny mpampanoa lalàna, izay misy antso fandrarana zavatra vitsivitsy [3].  Madeleine Ross, ao amin'ny B&T [4], vohikala natokana ho amin'ny dokambarotra sy ny haivarotra ary ny fampitam-baovao, mamelabelatra ny sasantsasany amin'ireny olana ireny :

Niditra an-tsehatra ny mpisolovavan'ny fampitam-baovao androany ao anatin'ny adihevitra mavaivay momba ny herin'ny Facebook sy ny Twitter.

…Niteraka adihevitra mavaivay ihany koa ny fahafatesan'ny mpiasan'ny ABC Jill Meagher ao Melbourne tamin'ny herinandro lasa teo raha nandà tsy mety hamafa ny fanehoan-kevitra feno fankahalana sy mahery setra an'ilay heverina ho namono an'i Meagher ny Facebook.

…Ny fifangaroana eo amin'izay heverina na tokony ho tsy ara-dalàna eo amin'ny tambajotra sosialy no nampiova tanteraka ny fomba fijerin'ny olona ireo fitaovana fampitam-baovao : izany hoe heverina ho kianjan'adi-hevitra misokatra ho an'ny besinimaro, taratry ny resadresaka fanaon'ny olona andavanandro ve ny Facebook sy ny Twitter sa tokony heverina ho fantsona fampahalalam-baovao (lahatsoratra na votoaty) ?

 

—————————————————————————————————————-

Niaina fanentanana goavana sy mampahonena indrindra teo amin'ny tantarany, tamin'ity herinandro ity, i Melbourne tao amin'ny tambajotra sosialy taorian'ny fanjavonana, sy heverina ho fanolanana sy ny famonoana an'i  Jill Meagher. Ireto ambany ireto ny sombiny amin'ny fanomezam-boninahitra an'i Jill avy amin'ny namany sy ny fianakaviany [5] :

Nanome voninahitra an'i Jill avokoa na ny namany, ny mpiara miasa aminy ary ny vahoaka, mpiasa ao amin'ny ABC, ao amin'ny tambajotra sosialy.

… Tom, vadin'i Meagher, nisaotra ireo tsy fantatra anarana tamin'ny fanohanany “am-panetre-tena”

Niasa tao amin'ny onjam-peo ABC 774  i Jill, onjam-peon'ny vondrona Aostraliana “Broadcasting Corporation”. Teraka tao Irlandy izy, tonga nanorim-ponenana tao Aostralia izy sy ny vadiny telo taona lasa izay. Taorian'ny fanjavonany ny marainan'ny Asabotsy 22 septambra, nalefa tao amin'ny Facebook ny fanentanana “Ampio izahay hitady an'i Jill Meagher” [6]. Niteraka fientanam-po mahagaga ny fanentanana : nanomboka ny andro nandefasana ny fanentanana hatramin'ny Zoma 28 septambra, Olona 122 253 no nanao “J'aime-Tia” ary olona 133 998 kosa no namoaka izany tamin'ny rindriny.

Marobe ireo sioka nalefa tamin'ny tenifototra #jillmeagher [7] ahitana afisy momba ny “fahaverezany”, tahaka ity navoakan'i Mel Campbell [8] ity :

@incrediblemelk [9]: Zarazarao ity afisy ity azafady : very tao Brunswick i Jill Meagher ny alin'ny Zoma. pic.twitter.com/dqO8c1Ig [10] 23 Sep 12

[11]

Sao misy mahita i Meagher. Sary: pejy Facebook “Missing Jill Meagher”

Natsangana ihany koa ny pejy Facebook hafa tahaka ny Missing Jill Meagher [12] (very i Jill Meagher). Nisy ireo nitady fanampiana amin'ny fijerena ilay lahatsary fanaraha-maso [13] navoakan'ny polisy ho hitam-bahoaka. Niezaka nanao izay vitany ny ankamaroan'ny mpitsidika ny pejy, saingy tsy maintsy misy foana ny mamoan-tsampona, tsy azo ialàna tao amin'ny tranokala Facebook sy Twitter. Tsy tsara raha avoaka eto izany, saingy “Afaka ajanontsika ve ny fanomezan-tsiny azy azafady?” [14] hoy ny sasany nanoratra fa “nampiasa tambajotra sosialy ireo mody miseho fa mpitsikilo ao an-trano mba hizara ny foto-keviny mampihomehy, tsy mahafantatra tsara izay zava-nitranga”.

Nick Bryant [15], mpanao gazetin'ny BBC any ivelany, niasa tao Aostralia nandritra ny taona maro, nisioka ireo fihetseham-po nalefan'ny ankamaroan'ny mponina ao Melbourne taorian'ny fanambarana mikasika ny fahafatesan'i Jill:

@NickBryantOz [16]: Tsy dia mahare matetika fandaharana mampientam-po sy feno fahamendrehana tahaka izany aho - @774melbourne [17] manome voninahitra ny namany. http://www.abc.net.au/melbourne/programs/listenlive.htm [18] 28 Sep 12

 

Mety hiteraka fampitandremana amin'ny mety voka-dratsy tsy ampoizin'ny famoahan-kevitra ao amin'ny tambajotra sosialy ny fitoriana ilay heverina ho namono. Matthew Knott de crikey.com nanoratra hoe [19] :

Nangataka tamin'ireo mpiserasera amin'ny tambajotra sosialy ny fianakaviana sy ny mpiara miasa amin'i Jill Meagher taloha mba tsy hitsaratsara mialoha ilay olona voarohirohy nahavita nanolana sy nahafaty an'ity mpiasan'ny ABC ity noho ny tahotra fa mety hisy fiantraikany amin'ny fitsarana izany .

Nandefa toro-hevitra ny profesora Sarah Joseph [20] ao amin'ny Ivon-toerana Castan miaro ny Zon'olombelona ao amin'ny Oniversiten'i Monash,  vao nalefa dia efa nisy nizara imbetsaka ny toro-hevitra:

‏@profsarahj [21]: Momba ny #ABC774 [22] @hamishfitz [23]: tsara ny tsy mijery ny “fitsaram-bahoaka nomerika”. Aza misehoseho be loatra ianareo ry namako, sao misy fiantraikany amin'ny fitsarana ! 28 Sep 2012

Helen Dale [24] mibilaogy amin'ny solon'anarana hoe Skepticlawyer [25] (‘mpisolovava misalasala’) nanoratra tao amin'ny kaonty Facebook-ny :

Tadidio ireto teboka manarana ireto azafady (araka ny nolazain'ny mpisolovavako) :

1. Ny tsy maha-meloka azy mialoha ny didim-pitsarana (présomption d'innocence) na inona na inona lazain'ny mpitsara ao amin'ny minisiteram-bahoaka.

2. Eny amin'ny fitsarana ny raharaha. Aza mitsabaka be loatra amin'izany.

3. Raha mahita faniriana famonoana na fanolanana ny voampanga ao am-ponja ao amin'ny pejy Facebook na forum antserasera ianao, torio amin'ny Facebook na ny tompon'ny tranokala izany.

4. Miverena any amin'ny teboka voalohany (1).

Notohanan'ny polisin'ny Victoria [26] tao amin'ny Twitter izany:

@VictoriaPolice [27]: Tsarovy azafady fa ny filazan-kevitra manohintohina ny mbola tsy maha-meloka dia mety hitarika any amin'ny fitsarana koa #JillMeagher [28] #RIPJillMeagher [29] 28 Sep 2012

Antenaina fa ho arahin'ny olona ny torohevitra.