Nivadika ho Fanangonam-bola Ny Fanadihadiana Momba ny Guerrilleras Salvadoriana

Niara niasa i Rebecka Bíró (Soeda/Espaina) sy Victoria Montero (Arzantina), samy mpaka sary mba hanangana tetikasa fanadihadiana sy sary momba ny fiainan'ny vehivavy mpiady anaty akata nandritra ny Ady An-trano Salvadoriana (1980-1992). Nampiasa ny tranokala fanangonam-bola Verkami i Bíró sy i Monteroto mba hanao hetsika fitadiavam-bola ho famatsiana ny fandanian'izy ireo mandra-pahavitan'ny tetikasany ao El Salvador.

Faritan'izy ireo ao amin'ny Verkami ny tanjony amin'ilay fanadihadiana:

 

Mitady valinteny amin'ireto fanontaniana sasantsasany ireto izahay:  nanao ahoana ny zava-niainan'ny vehivavy nandritra ny ady, inona no andraikitr'izy ireo tamin'izany, ahoana ny fomba nitoloman'izy ireo hitadiavam-bola sy hiarovany ny fianakaviany, ahoana ny fiovana nentin'izany teo amin'ny tontolon'ny vehivavy anaty rafitra tantanan'ny lehilahy na fiarahamonina anjakazakan'ny lehilahy araka ny fomba nentim-paharazana, inona ny voka-dratsiny ary ahoana ny fomba hanohizan'izy ireo ny tolona ankehitriny.

Voalohany indrindra dia natao fitaovana hitehirizana ny tantara tsara hotsarovana ny Guerrilleras [Vehivavy mpiady anaty akata]. Fitaovana manampy sy manome fanazavana momba ny tantara farany tao El Salvador nandritra ny ady mitam-piadiana. Fitaovana handinihana momba ny vehivavy  anaty ady an-trano. Santionany tamin'ny lasa izay tsaroana foana ankehitriny ary angatahina mba tsy ho adinoin'ireo mpifanandrina taminy.

Nanazava i Bíró sy Montero fa nandritra ny fitsidihana nataon'izy ireo tany to El Salvador tamin'ny taona 2011, tsy “hitan'izy ireo ny tora-pasika tsara indrindra manerantany, na ny tendrombohitra avo indrindra,” saingy nihaona tamin'ireo Salvadoriana marobe izy ireo izay “nanohina ny fony”:

 

Maro ireo niharam-boina tamin'ny ady no tafahaona taminay. Ny harikorikon'ny tantaran'izy ireotsy rariny tamin'ny tantaran'izy ireo, indrindra ny tsy fijeren'ny fampahalalam-baovao mahazatra andry zareo, no nanetsika anay hanohy hiasa ka hampisongadina ny mahaizy ny vehivavy, ny fiarovana ny zon'olombelona sy ny fampahatsiarovana ny tsiahin'ny vahoaka mitolona ho amin'ny fivelaran'izy ireo.

Raha te-hahafantatra bebe kokoa mikasika ny tetikasan'izy ireo, tsidiho ny tranokala Verkami  ary araho ny ‘Guerrilleras’ ao amin'ny Facebook.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.