- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arabia Saodita: Nanao Fihetsiketsehana Nandritra Ny Fetim-Pirenena Ny Fianakavian’ireo Gadra Tsy Amin’ny Antony

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

Ny fanagadrana tsy amin’ny antony no lohahevitra mavaivay indrindra momba ny zon'olombelona any Arabia Saodita. Tombanan'ny Fikambanan’olo-tsotra Saodiana miaro ny zon’olombelona  sy ny Fikambanana miaro ny Zo Ara-pollitika fa maherin’ny 30,000 [1] no isan’ireo gadra tsy misy antony, raha toa kosa ny governemanta nanombana azy ireo ho 4.396 [2]. Maro ireo nosamborina nandritra ny fihetsiketsehana “ady amin’ny fampihorohoroana” [3] taorian'ny 11 septambra.

Tamin’ny 23 Septambra 2012, andro fankalazana ny  fetim-pirenena Saodiana [4], nanararaotra nanao fanentanana mikasika ny momba azy ireo ny fianakavian’ireo gadra tsy amin’ny antony, nanao sit-in teo ivelan’ny fonja al-Turfiya  akaikin’i Buraidah [5] izy ireo. Araka ny tatitra avy amin’ny Reuters [6], lehilahy 60, vehivavy 45 ary ankizy 16 no nandray anjara tamin’izany.

Tamin’ny voalohany, nohodidinin’ny polisy misahana ny rotaka ny mpanao fihetsiketsehana, ary tsy navela hitady sakafo sy rano. Mohammad al-Qahtani, mpiara-manorina ny Fikambanan’olo-tsotra Saodiana sy ny Zo Ara-politika nisioka hoe [ar]:

Protesters decided to spend the night, via @abosaud3331 [7]

باصات الطوارئ تحاصر المعتصمين في #تجمع_الطرفية ولا يسمحون لأحد الدخول أو الخروج إلى المنطقة، مع أخذ أرقام السيارات، ومنعم من الماء! #حسم

MFQahtani [8]: Voahodidina polisy misahana ny rotaka ny sit-in ao al-Turfiya ary tsy avelan’izy ireo miditra sy mivoaka ny olona. Nangonin’izy ireo ihany koa ny laharana amin’ny fiaran’ny mpanao fihetsiketsehana ary tsy navela hitady rano izy ireo!

Nandrahona ny handoro ny tenany ny mpanao fihetsiketsehana iray, tahaka ny tany Bouazizi [9], raha toa ka mbola tsy avelan’ny polisy hitady sakafo sy rano ny olona [ar]:

لتشهد وزارة الداخلية والحكومة ،، إمّا أن يتم إدخال الطعام والماء ،، وإلّا سأكون أبو عزيزي آخر ،، فقد أعددت عدتي ،، رتويت

@abosaud3331 [10]: Aoka ho fantatry ny governemanta sy ny Minisitry ny Atitany fa ho Bouazizi vaovao aho raha toa ka tsy avelan’izy ireo hisakafo sy hisotro rano ny olona. Vonona amin’izany aho. Aelezo.

Na dia izany aza, mpanao fihetsiketsehana iray nahavita nandrava ny sakana ary nitondra sakafo tao amin’ny sit-in [ar]:

الماﺀ والطعام وصل من أحد الإخوة بطريقة غير نظامية..!

@abo_otman [11]: Nahatonga ny rano sy ny sakafo, tsy ara-dalàna, ny olona iray!

Al-Qahtani nitatitra [12] fa  nanatevin-daharana ny polisy misahana ny rotaka ireo mpikambana avy ao amin’ny Komity mampiroborobo ny hatsaram-panahy sy ny Fisorohana ny hadalàna, izay lazaina fa hoe “polisy mpivavaka”. Nandany ny alina [13] teo anoloan'ny fonja fianakaviana ny alina manontolo, nitaky ny tsy maintsy hihaonany amin'ny mpitantana ny fonja.

Niezaka ny nampitahotra ireo mpanao fihetsiketsehana [14] ny polisy misahana ny rotaka [ar]:

أبواب المسئولين مفتوحة ولا تعرضوا أنفسكم وعوائلكم للخطر

Misokatra [ho anao] ny varavaran’ny manam-pahefana. Aza mitady loza ho anao sy ny fianakavianao.

Rehefa nihoatra ny fotoana, niparitaka ny mpanao fihetsiketsehana, saingy rehefa tonga teo amin'ny toeram-pisavan'ny polisy iray izay iandrasan'ny mpanohana azy ireo hanomezana rano sy sakafo, dia nihodidin’ny polisy avy hatrany ary nodarohany [15]. Anisan’ireo voadaroka [16] i Reema al-Joresh [17], mpikatroka. Mbola narahan’ny polisy ihany koa ireo fiara niala tao an-toerana [18].

Lehilahy maherin’ny 50 [19], nandray anjara tamin’ny sit-in, no mbola voatàna hatramin'izao.