Maoritania: Diabe Ho Fahatsiarovana Ilay Mpanohitra Ny Fanavakavaham-Bolokoditra Nodimandry

Miantso ny hanaovana diabe amin'ny 27 Septambra 2012 ao an-drenivohitra Nouakchott ho fahatsiarovana ilay mpikatroka manohitra ny fanavakavaham-bolokoditra Lamine Mangane ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona Touche pas à ma nationalité TPMN (malagasy: Aza kitikitihinao ny zom-pireneko). Novonoin'ny manampahefan'ny tanànan'i Maghama nandritra ny fihetsiketsehana manohitra ny fanisam-bahoaka nanilikilika ny olom-pirenena Maoritaniana mainty hoditra i Mangane.

Ho Fahatsiarovana an'i Lamine Mangane

Iza moa i Lamine Mangane ? Mampitamberina ny tsiarony ny zanany lahy ao amin'ny bilaogy Mauritanides [fr] ny rainy Moussa Abdoul Mangane:

Lamine, âgé de 19 ans a été tué par balle pendants les manifestations contre l’enrôlement à Maghama. Nous avons déposé une plainte au tribunal de Kaédi afin que justice soit faite. Malheureusement, nous n’avons, jusqu’à maintenant, pas eu aucune réponse en retour. L’assassin de mon fils circule librement et ce, avec la complicité de nos appareils judiciaires. Il a même pour toute sanction, une affectation [..] A travers la mort de mon fils et les blessés à Maghama, suite aux manifestations contre l’enrôlement raciste, c’est une fois de plus la communauté négro-mauritanienne qui est brutalisée, blessée, meurtrie

Maty voan'ny bala nandritra ny fihetsiketseham-panoherana ny fanisam-bahoaka tao Maghama i Lamine tamin'ny faha-19 taonany. Nametraka fitoriana tany amin'ny Tribonalin'i Kaedi izahay mba ivoahan'ny rariny. Indrisy anefa fa mbola tsy nahazo valiny izahay mandraka ankehitriny. Mandehandeha tsy manana ahiahy, noho ny firaisana tsikombakomban'ny rafi-pitsarana, ny namono ny zanako. Ny hany sazy azony dia ny famindrana toerana azy amin'ny asany [..] Amin'ny alalan'ny fahafatesan'ny zanako lahy sy ireo naratra tany Maghama, taorian'ny fihetsiketseham-panoherana ilay fanisàna manavakava-bolokoditra, mbola ny fiaraha-monina Maoritaniana Mainty ihany no voaviravira sy maratra anaovana herisetra

Lahatsary avy amin'i Siteflere ahitana ny manodidina sy mombamomba an'i Lamine Mangane sady mampiseho ireo olona nanao diabe taorian'ny nandrenesana ny fahafatesany:

Nanao izao fanambarana manaraka izao tao amin'ny bilaogy Info de la Rue [fr] ny fikambanana Initiative pour la Résurgence du Mouvement Abolitionniste en Mauritanie IRA- Mauritanie (malagasy: Fandraisana an-tanana ho famongarana indray ny hetsika manafoana ny fanandevozana any Maoritania) :

La mort de Lamine Mangane ne peut en aucune manière rester impunie. Si l’autorité perçoit cet assassinat comme un acte de dissuasion, elle se trompe lourdement, il risque au contraire d’envenimer la situation et de semer le chaos

Tsy tokony hijanona tsy misy fanasaziana ny fahafatesan'i Lamine Mangane. Raha mieritreritra ny fahefana fa asam-pandresen-dahatra tsy hihetsehana iny famonoan'olona iny dia diso hevitra tanteraka izy, mifanohitra amin'izany no hitranga ary hiteraka korontana tanteraka.

Tantaram-pifandroritana ara-bolonkoditra 

Tsy i Lamine Mangane irery no lasibatra amin'ny fitarazohan'ny fifandrafiana ara-bolonkoditra misy eo amin'ny arabo sy ny mainty any Maoritania. Nanambara ny Hetsika Ho amin'ny Rariny sy ny Fitoviana any Maoritania (M.J.E.M) fa nanjavona hatramin'ny 22 febroary lasa teo i Bakary Bathily, 25 taona, mpandala ny zon'olombelona ary mpianatra ao amin'ny Anjerimanontolon'i Nouakchott miompana amin'ny lalàna sy ny toekarena:

The authorities initiated a massive manhunt to arrest the young activist and prevent him from advancing the cause of the oppressed Black Africans in Mauritania. In Nouakchott alone, dozens of black students have been arrested this year. Others have been harassed and tortured by the Police [..] Bakary’s family has not seen him or spoken with him since February 2, 2012. Numerous Human Rights organizations in Mauritania have been demanding the government to call off the manhunt…

Nanao hazalambo faobe ny manampahefana hisamborana ilay tanora mpikatroka sy manao izay tsy hahavitany ny fiarovana ny zon'ny Afrikana mainty ao Maoritania. Ao Nouakchott fotsiny, mpianatra mainty ampolony no nosamborina tamin'ity taona ity. Ny hafa nogidragidrana sy nampijalian'ny polisy [..] Tsy hitan'ny fianakaviany hatramin'ny 2 Febroary 2012 i Bakary. Fikambanana mpiaro ny zon'olombelona ao Maoritania maro no nitaky tamin'ny governemanta hampitsahatra ny hazalambo…

Ny bilaogy Flere mampahatsiahy antsika ny tantara lavan'ny ady teo amin'ny arabo sy ny mainty tao Maoritania. [fr]:

Arrestations de militaires en octobre 1987 à la suite d'un prétendu coup d'Etat militaire : trois exécutions, 23 condamnés entre 5 ans et la perpétuité, près d'un millier de militaires noirs chassés de l'armée après avoir subi toutes formes de tortures et d'humiliations. Des tortures et mauvais traitements qui allaient entraîner la mort de 4 prisonniers politiques à Waalata. Au mois d'avril 1989, des centaines de Noirs (700 au moins) sont massacrés á Nouakchott, à Nouadhibou et dans plusieurs autres localités mauritaniennes, avec la complicité des plus hautes autorités de l'Etat.

Fisamborana miaramila maro tamin'ny Oktobra 1987 taorian'ny nilazana fa nisy fanonganam-panjakana: 3 novonoina, 23 voaheloka tnelanelan'ny 5 taona ka hatramin'ny mandrapahafaty. Miaramila an'arivony no noroahina tao amin'ny tafika rehefa nanaovana fampijaliana sy fanalam-baraka isan-karazany. Fampijaliana sy fikarakarana ratsy izay niteraka fahafatesana gadra politika 4 tany Waalata. Tamin'ny Aprily 1989, 700 raha kely indrindra ny mainty novonoin tao Nouakchott, Nouadhibou sy ny tanàna hafa, izay nisy firaisana tsikombakomba hatrany amin'ny fahefana faratampony any.

Abdoulaye Yero DIA nandresy lahatra fa tsy azo leferina intsony ny toe-draharaha [fr]:

une chose est claire et confirmée tout le long de l’Histoire : la durée de vie de l’oppression est très réduite à l’échelle de l’Histoire. Cette injustice doit s’arrêter. Que les dirigeants sachent une chose : en continuant à se comporter comme ils le font, ils sont entrain de nourrir la haine envers leurs propres enfants et de donner aux opprimés d’aujourd’hui des arguments pour justifier un désir de revanche

Misy zavatra efa mazava sy voamarin'ny tantara: mifintina dia mifintina ny faharetan'ny famoretana eo amin'ny tantara. Tsy maintsy atsahatra ny tsy rariny. Aoka ho fantatry ny mpitondra fa raha mbola manao zavatra tahaka izao hatrany ry zareo dia mamelona fankahalana eo amin'ny zanany ihany ary mampandresy lahatra eo amin'ny voageja ankehitriny hanana fanirian-kamaly faty.

Abdoul Birane Wane milaza ny antsipirihan'ny hetsika omanina mialoha ny diabe [fr] :

Mercredi 26 septembre, un grand concert au 5eme arrondissement à partir de 18heures.
– Jeudi 27 septembre à 11heures , sitin devant le ministère de la justice pour exiger le jugement des coupables.
– 17heures, meeting au 6eme arrondissement.

- Alarobia 26 Septambra, rindrankira lehibe eo amin'ny boriborintany fahadimy manomboka amin'ny enina hariva.
– Alakamisy 27 Septambra amin'ny 11 ora atoandro, sit-in manoloana ny minisiteran'ny fitsarana hitakiana ny fitsarana ireo voampanga.
– Amin'ny dimy hariva, fihaonambe eo amin'ny boriborintany fahaenina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.