- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arabia Saodita: Mandrahona Ny Hanakana Ny YouTube Ny Manampahefana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Fahalalahàna miteny, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana

Notaterin'ny [1] Sampan-draharaham-baovao ofisialy Saodiana (SPA) androany vao maraina fa naneho ny heviny tamin’ilay horonantsary “Innocence of Muslims (Tsy fahalalàn'ny miozolomana) [2]” ny Komitin’ny Fifandraisana sy ny Fampahalalam-baovao ka nandrahona ny hanidy ny YouTube, izay efa nanakatona horonantsari-mihetsika iray ihany koa farafahakeliny [3] hatramin’ny namoahana ny fanambarana.

Toy izao ny tatitry ny SPA [ar]:

قامت هيئة الاتصالات وتقنية المعلومات بتوجيه شركات الاستضافة في المملكة بحجب هذا الفيلم […]، كما قامت الهيئة بمخاطبة شركة جوجل لحجب جميع روابط اليوتيوب الالكترونية المحتوية على الفيلم وفي حال عدم الاستجابة لهذا الطلب فستقوم الهيئة بحجب موقع يوتيوب بالكامل.

Nanome baiko ny mpanome tolotra aterineto Saodiana ny Komitin’ny Fifandraisana sy ny Fampahalalam-baovao mba hanakatona ilay horonantsary[…]. Niantso ny Google ihany koa ny Komity mba hangataka  ny hanesorana ireo rohy YouTube ahafahana mahita ilay horonantsary, ary raha toa ka tsy mahazo valiny mahafa-po izy ireo, dia ny Youtube manontolo mihitsy no hosakanan’ny Komity.

Naneho ny heviny tamin-katezerana sy feno esoeso manoloana izany zava-misy izany ny Saodiana, izay voalohany manerantany mpijery YouTube indrindra. [4]

Bilaogera Saodiana Thumar al-Marzougi nisioka hoe:

على احتمالين، بسوء ظن: الدولة تريد استغلال فرصة الفيلم لتقوم #حجب_اليوتيوب بما يشمل نشاطاته الفكرية والسياسية، بحسن ظن: ماهيب عارفه وشو حجب

@thumarm [5]: Zavatra roa no azo atao, raha ohatra ka manam-pikasan-dratsy: na tsy miditra amin’ny fanidiana Youtube ahitana votoaty ara-kevitra sy ara-politika ny Fanjakana, na tsy fantatr’izy ireo hoe inona no hakatona.

Mpisera Twitter Saodiana Mousab Fouad nisioka toy izao:

اليوم #حجب_اليوتيوب عشان مقطع ١٥ دقيقة بكرا حجب تويتر عشان ١٤٠ حرف! اللعنه اللعنه

@DrRAYQ [6]: Mety hakaton’izy ireo ny Youtube misy horonan-tsarimihetsika maharitra 15 minitra. Avy eo, hakaton’izy ireo indray ny Twitter ahitana sioka misy tarehin-tsoratra 140! Loza ity!

Mpanadihady ara-politika sy mpahay toekarena Essam al-Zamil nisioka toy izao:

الفيلم المسيء تم حجبه عن مصر وليبيا. لذلك حجبه عن السعودية من قبل يوتيوب سهل جدا. ولا يحتاج تهديد ووعيد!. #حجب_اليوتيوب

@essamz [7]: Nakaton’ny [Youtube] tao Ejypta sy Libya ny horonantsary manevateva, ary ho mora foana ho an’ny YouTube ny hanakatona ny ao Arabia Saodita, tsy misy mampitahotra akory!

Hatramin’ny namoahana ny fanambarana, horonan-tsarimihetsika iray farafahakeliny no efa nakaton’ny YouTube.