Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Revolisiona ao Libya 2011.
Nanameloka ilay fanafihana tsy am-piheverana nahazo ny Kaonsilin'i Etazonia tao Benghazi, Libya tamin'ny alin'ny Talata 11 Septambra 2012 ireo mpikirakira aterineto nanerana ny tontolo Arabo. Amerkana efatra, ka isan'izany ny Ambasadaoro Christopher Stevens, no maty raha nitifitra balafomanga tany aminy ireo mpitolona, nandritra ny fotoana nitondràna azy ho amin'ny toerana azo antoka, taorian'ny fotoana naha-fahirano ny tranoben'ny kaonsily.
Mitatitra ireo vaovao samihafa fa nohodidinin'ireo mpanao hetsi-panoherana ny Kaonsily, ireo tezitra noho ilay sarimihetsika manivaiva ny Mpaminany Mohammed, novokarin'ny safiotra iray Amerikana-Israely mpamokatra sarimihetsika. Tany Cairo, nisy hetsika iray mitovy amin'izay, izay nihanihan'ireo mpanao hetsi-panoherana ny tambohon'ny Masoivohon'i Etazonia, nanongotan-dry zareo n saina Amerikana, ary nanoloany izany tamin'ny sorabaventin'ny Islamika.
Nahatohina ireo mpikirakira aterineto tany amin'ny faritra ny famonoana an'Ing Stevens sy ireo telo hafa mpiasa tao amin'ny Kaonsily Amerikana.
Manontany ny Libyan Youth Movement (Hetsiky ny Tanora Libiana) hoe :
@ShababLibya: Inona izao no tena nilàna ny fanafihana ny kaonsily e ? Tsy misy afa-tsy fanimban-javatra, herisetra, & zava-doza tanteraka.
Abdulraqeeb Al Azzane manamarka hoe [ar]:

Mpanao hetsi-panoherana eo ivelan'ny Masoivoho Amerkana ao Cairo ny alin'ny 11 sept.2012. Sary nozarain'i @khadrania tao amin'ny Twitter
Nasr Aldbea miteny hoe [ar]:
Khalil Agha mibitsika hoe [ar]:
Saudi Fahad Albutairi mampahatsiahy antsika hoe [ar] :
Ary manaiky izany ilay Libiana Ahmed Misrata :
@AhmedEMisrata: Ny zava-nitranga halina dia henatra ho an'ny revolisiona nataontsika, ho an'ireo maritiorantsika ary ho an'ny ankamaroantsika, ompa ho an'ny fampianarana nataon'ny Mpaminany PBUH #Benghazi
Avy any Ejipta, Schehrazade no manamarika hoe :
@_Schehrazade_: Nisy namono ny lehilahy iray nanaanteraka ny asany tao #Libya satria nisy tsy matianina namokatra sarimihetsika tsy misy dikany ary nisy tsy ampy saina nanome lanja izany. Tohizo foana ihany ny fankahalàna.
Ary avy ao Benghazi, @N_Benghazi manoratra hoe :
@N_Benghazi: Ny mpaminany tsy hanaiky mihitsy hoe hisy rà tsy manan-tsn hilatsaka satria hoe nisy olona tohina noho ny sarimihetsika novokarin'olona tsy hay tsy hay tany. #libya
Karim El Degwy, Ejiptiana mpanoratra, dia efa nilaza mialoha hoe [ar] :
Ary mbola ao Ejipta hatrany, Nadia El Awady mamintna hoe [ar] :
Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Revolisiona ao Libya 2011.