- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: “Miaramilan'ny Islam” Nisovoka Pejy Facebook-na Mpanao Sariitatra

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina

[1]Nosovohan'ny mpisovoka mpanohana ny fitondrana (iraniana) manonona ny tenan'izy ireo ho “Miaramilan'ny Islam” tamin'ny talata 11 septambra 2012 teo ny pejy Facebook-n'ny mpanao sariitatra malaza Iraniana, Mana Nayestani [1]. Nifaly tamin'ny zavabitany tao amin'ny pejiny Facebook (efa nesorina ankehitriny) ireo mpisovoka tamin'ny famoahana [2] izao hafatra manaraka izao: “Isaorana Andriamanitra, azonay ny kaonty facebook-n'i Mana Nayestani.”

Maro ny sariitatra manohitra firenena vitsivitsy ao amin'ny pejy facebook-n'i Nayestani ka anisan'ny toheriny amin'izany i Etazonia, Isiraely ary Kanadà. Mpanao sariitatra malaza tokoa i Nayestani ary mahatratra 70000 ny isan'ireo tia ny pejiny. Efa namoaka [3] maromaro tamin'ny sariitatrany ny Global Voices ary nitantara [4] ny fisamborana azy tamina kisarisary nampiady hevitra tamin'ny Lohataona 2006.

Iray amin'ny sariitatry ny mpisovoka ny momba ny dfanapaha-kevitr'i [5] kanadà hanenjana ny fifandraisana diplaomatika amin'i Iran. Mitondra ny lohateny hoe “Ny fiantraikan'ny fanakatonana ny ambasady kanadiana an Iran” izy io ka mampiseho fa tsy dia zava-dehibe loatra izany:

Amin'ny sariitatra hafa indray no anontanian-dry zareo hoe nahoana no miresaka momba an'i Syria ny gazety fa tsy momba an'i Bahrain?

Iray amin'ny antony nifidianan'ny mpisovoka mpanohana ny fitondrana ny pejin'i Mana Nayestani dia mety noho ny saiitatra politika hita amin'ny vohikala Iraniana tahaka ny Mardomak [6]. Iray amin'ny sariitatra farany ny miresaka ny Fivorian'ny Tsy Momba Ny Atsy Tsy Momba ny Aroa [7] tao Tehran, nivoaka [8] tao amin'ny Mardomak:

Tsy paikady vaovao ny misompatra bolongana na vohikalan'ny mpanohitra. Nialoha ny nivoahan'ny Miaramilan'ny Islam, nahomby tamin'ny fanaovana lasibatra [9] ny vohikalan'ny firenena maro ny Iranian Cyber Army [Tafika Cyber Iraniana], mandoko fa tsy manana sisintany ny aterineto, ary na dia ny vohikala manan-daza tahaka ny Twitter aza dia mety ho malemy eo anatrehan'ny mpanafika tsy fantatra anarana.

Tsy nampihena ny hetahetam-pahafaha-miteny any Iran, na an-tserasera na andavanandro, ny fisomparana pejy Facebook, fanagadrana mpanao sariitatra na karazana fampijaliana hafa.