- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bangladesh: Takela-dokambarotra Ratsy Sady Mahafaty ao Dhaka

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Tontolo_iainana

Mponina eo amin’ny 13 tapitrisa eo no monina ao Dhaka, renivohitr'i Bangladesh. Manana hakitroky ny mponina eo ho eo  amin’ny 28000 isaky ny kilometra tsimivadimandry. Rivotra maloto, rano maloto, fitohanan’ny fiara no fihantsiana hatrehin’izy ireo isan’andro. Araka ny tatitra avy amin’ny “Environmental Performance Index 2012” (Famantarana ny Fivoaran’ny Tontolo Iainana), tarihan’ny oniversite Amerikana Yale sy Kolombia, Dhaka no  tanàn-dehibe faha-31 maloto indrindra amin’ireo tanàndehibe 132 manerana izao tontolo izao [1]. Sahabo eo amin’ny 250 mikrograma eo ny vovoka manidina ao an-tanànan’i Dhaka, in-dimy avo henin’ny salanisa ankapobeny. Ankoatra ny loto, rakotra takela-barotra ny faravodilanitr'i Dhaka, ka manakona ny fijerena ny lanitra. Tazanao eny rehetra eny ireo takelaka lehibe an’ireo orinasa samihafa

[2]

Ao anaty tanànan’i Dhaka, mitombo 2500 ny isan’ny takelaka lehibe. Saingy ny  300 amin’ireo ihany no nahazo fahazoan-dalana [3] [bn] avy amin’ny Fiadidiana ny tanàna ao Dhaka. Ivelan’ny arabe ny toerana hametrahana ireo takelaka, eo anoloana na eo ambonin’ny tafonà tranobe ary koa eny an-kalamanjana. Mamaritra mazava tsara ny lalàna fa tsy tokony hihoatra ny 600 hakiho tsimivadimandry ny velarany, tsy misy manaja anefa izany. Mampihena ny hankaton’ny tanàna ny refy tafahoatra amin’ny velaran’ireo takelaka ary manelingelina ny fivoivoizan'ny rivotra.

Tsy ny endriky ny tanàna sy ny mponina ao aminy ihany no takon’ny dokambarotra manintona eny amin’ny tanàna hatreny amin'ny lalambe manodidina ny tanàna, fa mamono olona ihany koa. Vao haingana, olona roa no namoy ny ainy tao amin’ny faritra Gulshan ao Dhaka raha nazeran’ny  tafio-drivotra ilay takelaka. Nisy mpandeha tongotra vitsivitsy ihany koa naratra. Efa imbetsaka ny karazana loza tahaka izao, izay nomoizan’ain’olona maro. Mampiseho ny statistika iray [4] [bn] fa olona 15 no namoy ny ainy tao Dhaka noho ny loza aterak’ireo takelaka

Nahita maso [5] ny loza naterak’ilay takelaka tao Gulshan I Sujon. Hoy izy naneho hevitra tao amin’ny bilaoginy [bn]:

গুলশান-১ এ যে দিন বিলবোর্ড ভেঙ্গে পরে …..আমি তার ৫০ গজের মধ্যে ছিলাম……..বড় বাঁচা বেঁচে গেছি সেইদিন….

Ny andro nianjeran’ilay takelaka tao Gulshan.. nijanona teo amin’ny 50 metatra teo aho…fahagagana ny tsy nahatratra ahy..

Kowshik [6] nanoratra momba ny loza mahatsiravina niseho:

ঢাকার রাস্তায় এখন সামরিক মহড়ার মত মরণঘাতী বিলবোর্ড তাক করা থাকে। টহল পুলিশ বা আর্মির ট্যাংক, বন্দুকের ট্রিগারের পেছনে একজন সুস্থ মস্তিস্কের মানব ক্রিয়াশীল থাকে, ফলে হুট করে গুলি বের হবার সম্ভাবনা নাই। কিন্তু প্রতিটি বড় বড় মোড়ে কয়েকশ টন ওজনের লোহালক্কর সমেত বিশাল ভারী বিলবোর্ডগুলো যেভাবে নড়বড়ে ভাবে দন্ডায়মান থাকে- সেগুলোর মানুষ মারতে কারো আদেশের অপেক্ষা করতে হয় না। সামান্য মৌসুমী বায়ুতেই আছড়ে পড়ে চলমান যানবাহন আর পথচারীর উপরে।

Eny amin’ny araben’i Dhaka ianao mahita ireo takelaka mahafaty mitsangana tahaka ireny barika fanaovan’ny miaramila sarinady ireny. Arahin'olona salama saina sy vatana ny fiaran’ny polisy, ny fiara mifono vy an’ny tafika na koa ny fitaovam-piadiana. Noho izany, tsy dia atahorana ho faty ny olona miaraka amin’izy ireo. Na dia izany aza, mahita takelaka milanja vy aman-taonina ianao isaky ny arabe mifanapaka, izay tsy ilaina akory satria mamono olona. Rivotra mifofofofo dia mety hampianjera azy amin’ny mpandeha tongotra sy ny fiara.

Naneho ny ahiahiny i Kowshik [5] fa raha mbola tsy esorina ireo takelaka ireo dia maro ny olona ho faty.

[7]

Nanome baiko ny hanesorana ireo takelaka tsy ara-dalàna mitsangana ao an-tanàna ny Fitsarana Ambony tao Bangladesh vao haingana. [8] Saingy mbola te-hametraka ny baiko amin'ny ambaratonga mivelatra kokoa ny manampahefana. Eo am-pamolavolana politika momba ny afisy ny Fiadidiana ny tanànan'i Dhaka (DCC)