- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Madagasikara: Fifamonoana Eo amin'ny Tantsaha Sy Ny Dahalo Any Atsimo

Sokajy: Afrika Mainty, Madagasikara, Ady & Fifandirana, Fitantanam-pitondrana, Foko sy Fiaviana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana

Raha tsy mivaha velively izao fiokoana any Atsimo izao, mety hahita ny fiitatry ny afy isika aoriana ao ka mety hivandravandra amintsika ny toe-javatra tahaka ny fivakisana mitranga any Mali.

Fijery mamoaka ny heviny amin'ny ady ankehitriny [1] [fr] ao amin'ny faritra avaratr'i Madagasikara. Mihoatra ny 100 ny olona maty [2] tamin'ny herinandro raha nampihatra ny fitsaram-bahoaka tamin'ireo mpangalatr'omby ny tantsaha.