12 Septambra 2012

Tantara tamin'ny 12 Septambra 2012

Ejipta: Tanora Miatrika Ny Fitsabahan'ny Tafika Any An-tsekoly

Raha mitombo tsy misy toy izany ny fanakianana ny tafika ao Ejipta, tanora iray kosa no nanao dingana goavana naraham-pahasahiana niatrika ny fitsabatsabahan'ny miaramila amin'ny rafi-pampianarana. Miteny amin'i Ahmed Hassan i Ahmed Awadalla, dia i Ahmed Hassan ilay nijoro nanohitra ny fampidirana ny resaka ara-miaramila any an-tsekoly.

12 Septambra 2012

India: Endri-panoherana Amin'ny Filonana Rano Hatreny An-tenda

Mponina iraika ambidimampolo avy ao amin'ny vohitr'i Ghongalgaon avy amin'ny distrikan'i Khandwa ao amin'ny fanjakàna Indiana ao Madhya Pradesh no nanomboka hetsi-panoherana iray 'Jal Satyagraha' amin'ny filonana hatreny an-tenda tao anatin'ny ranon'ny tohodrano Omkareshwar ao amin'ny renirano Narmada. Ilay hetsika dia ho fanoherana ny fanapahan-kevitry ny governemanta hampakatra ny haavon'ny rano ao amin'ilay tohodrano.

12 Septambra 2012