Nihataka kely tamin'ny politika indray aloha ny Bahraini mpampiasa Twitter ary nandany andro ny maraina teo (3 septambra) tao amin'ny tambajotran'ny fitoraham-bilaogy sosialy kiritika. Namaky lahatsora-baovao ilay mpanakanto Anas Al Shaikh izay milaza fa namono tena ity vehivavy Irakiana iray ho fanoherana ny fijerem-badiny andian-tantara mitohy Tiorka amin'ny fahitalavitra.
Nandimby ny andian-tantara mitohy Meksikàna amin'ny fahitalavitra tamin'ny taona lasa ity avy any Torkia ity. Misy dikanteny Arabo, malaza amin'ireo mpanaraka azy ity andian-tantara ity, izay matetika maharitra amam-bolana.
Nizara ilay ampaham-baovao mampilendalenda ho an'ireo mpanaraka ny Twitter-ny i Al Shaikh sady nanontany:
@Anas_Al_Shaikh: Singam-baovao iray tanaty gazety .. Nandoro ny tenany mandra-pahafatiny ny vehivavy Irakiana iray mba hanoherany ny fijerem-badiny andian-tantara Tiorka amin'ny fahitalavitra. Maninona isika no tsy naheno hoe nanao zavatra sahala amin'izany ihany koa ny vehivavy Bahraini? hahaha
Tsy very akory ny lalaon-teny ary niteraka fihetseham-po maro ilay tsikera.

Efa teo amin'ny laharana voalohany tamin'ny hetsi-panoherana fandavana ny goverenmanta ny vehivavy Bahraini izay nanomboka tany Bahrain tamin'ny Febroary 2011. Sary flickr avy amin'ny Al Jazeera amin'ny teny Anglisy nampiasaina tamin'ny alalana (CC BY-SA 2.0)
Hoy i Um Salman:
@Umsalman2011: Satria matotra ny vehivavy Bahraini, fantany fa tsy dia midika inona tokony hamonoany tena ny andian-tantara Tiorka amin'ny fahitalavitra na koa zavatra hafa mitovy amin'izany.
Manampy i Esraa:
Ary nanoratra toy izao i Fatima Salim: