- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Mpitandro Filaminana Mamotika Ny Tsenam-boky Manan-tantaran'i Alexandria

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Haisoratra, Lalàna, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina

Niara-nifoha tamin'ny vaovao momba ny famotehana nataon'ny Ministeran'ny Atitany ireo fivarotam-boky teo an-tsisin-dàlan'ny Mpaminany Danial ao Alexandria ny Ejiptiana ny marainan'ny 7 Septambra teo. Ny bemidina, tamin'ny vao mangiran-dratsy, dia nahatonga hatezeran'ireo mpikirakira aterineto amin'ny Firahalahiana Silamo, izay tondroin-dry zareo ho manao ady amin'ny kolontsaina.

Nopotehan'ireo mpitandro filaminana daholo ny trano fivarotam-boky sy ny boky, niteraka fahavoazana tamin'ireo tahirim-boky lafovidy sy  ny harena ara-kolontsaina.

Toherin'i Dr Shadia Metwally ilay bemidina [ar] :

غلط الاعتداء علي مكتبات منطقة النبي دانيال وتترك أرصفة اخري عليها شاي وقهوة وكراسي بالية دي مكتبات وفيها ثروة ثقافية ‎‫#النبي_دانيال‬‏
@shadiametwally [1]: Hadisoana be ny nanafika ireo fivarotam-boky tao amin'ny faritry ny Mpaminany Danial raha toa navela kosa ireo ery ampitan'ny arabe, izay misy fisotroan-dite sy kafe mampiasa seza antitra be. Irony dia fivarotana boky izay mampiantrano harena ara-kolontsaina.

Schehrazade dia sahiran-tsaina amin'ireo mpianatra izay hahatsiaro ho voatsindrona ao am-pony :

@_Schehrazade: Tena tsy takatry ny saiko mihitsy hoe fomba ahoana izao no hahafahan'ireo mahantra mpianatra eny amin'ny anjerimanontolo hivanga ny bokin-dry zareo. Mba marina mafy, tena fihetsika tsy mitsinjo ny hoavy.

What is left of Hameedo's bookshop on Prophet Danial Street in Alexandria [2]

Izay sisa tavela tamin'ny trano fivarotam-bokin'i Hameedo tao amin'ny Lalan’-ny Mpaminany Danial ao Alexandria taorian'ny bemidin'ny polisy. Saripika nozarain'i Heba Farooq tao amin'ny Twitter

Heba Farouk Mahfouz manazava hoe :

كشك عم رجب حميدو رغم أنه في ممر خاص ومش ع الشارع، ورغم حصوله ع ترخيص من 34 سنه قامت الداخليه بتدميره ‎‫#النبي_دانيال‬‏ ‎http://pic.twitter.com/DRiSLckf
@HebaFarooq [2]: Tanaty faritra an'olon-tsotra no nisy ny trano fivarotam-bokin'i Rajab Hameedo, tsy tany anaty arabe mihitsy, ary na dia nanana taratasy fanomezan-dàlana nandritra ny 34 taona aza dia nopotehan'ny Ministeran'ny Atitany ihany ilay izy.

Mizara ity saripika ity izy, etsy ankavanana, avy amin'ilay famotehana.

Waleed mibitsika hoe  :

#النبي_دانيال‬‏ قطعتوا عيش بائعي كتب بسطاء وحرمتم القراء البسطاء من مصدر سعادتهم، فيه أغبى من كدة؟!؟
@WilloEgy [3]: Nopotehanareo ny mba fiveloman'ireo mpivarotra tsotra ary sakananareo ny olona mahantra tsy hamaky boky sy hikatsaka fiadanana. Misy zavatra kidaladala mihoatra noho izany indray va re?

Ary i Wael Barakat mivazivazy hoe :

يعني بعد كده بيع الكتب هايبقي زي بيع الخدرات و هانروح نشتري الكتب جوه شرايط الفديو
@Wael_Barakat [4]: Midika ve izany fa mitovy amin'ny mivarotra zava-mahadomelina izao ny mivarotra boky ary ho any anaty fonona horonantsary mihetsika no hividiananao boky?

Raha i Ahmed Elsawy kosa manontany hoe :

طب والراجل أبو كشك أزرق اللي علي اول الشارع اللي كنت بشتري من عنده ديما,وديما الاقيه بيصلي هدوله هو كمان كشكه؟طيب ‎‫#النبي_دانيال‬‏
@Ahmed_Elsawy [5]: Mba nanao ahoana ary izay ilay olona nanana fivarotam-boky niloko manga fividianako boky mandrakariva iny? Efa zatra mahita azy mivavaka foana aho. Fa nahoana no dia nopotehan-dry zareo koa ny trano fivarotam-bokiny?

Maro ireo nanakiana ampahibemaso ny Firahalahiana Silamo, izay mpikambana avy ao aminy i  Mohamed Morsi filohan'i Ejipta ankehitriny.

Anas Abdelazeem mamaly henjana hoe :

تصوير ازالة اكشاك الكتب في ‎‫#النبي_دانيال‬‏ باعتباره هجمه اخوانيه ضد الثقافيه سخيف لانه وضع متكرر

@anasabdelazeem [6]: Mampihomehy ny fiheverana ny famotehana boky tao amin'ny [làlana] Mpaminany Danial ho toy ny fanafihan'ny Firahalahiana Silamo ny kolontsaina satria dia zava-doza miverimberina mitohy izany

Ho an'ireo fanehoan-kevitra bebe kokoa ao amin'ny Twitter, araho ity tenifototra [7] [Ar] ity.

Ahmed Rock dia mizara saripika taorian'ilay bemidina, ao amin'ny pejiny Facebook eto [8].