Niara-nifoha tamin'ny vaovao momba ny famotehana nataon'ny Ministeran'ny Atitany ireo fivarotam-boky teo an-tsisin-dàlan'ny Mpaminany Danial ao Alexandria ny Ejiptiana ny marainan'ny 7 Septambra teo. Ny bemidina, tamin'ny vao mangiran-dratsy, dia nahatonga hatezeran'ireo mpikirakira aterineto amin'ny Firahalahiana Silamo, izay tondroin-dry zareo ho manao ady amin'ny kolontsaina.
Nopotehan'ireo mpitandro filaminana daholo ny trano fivarotam-boky sy ny boky, niteraka fahavoazana tamin'ireo tahirim-boky lafovidy sy ny harena ara-kolontsaina.
Toherin'i Dr Shadia Metwally ilay bemidina [ar] :
Schehrazade dia sahiran-tsaina amin'ireo mpianatra izay hahatsiaro ho voatsindrona ao am-pony :
@_Schehrazade: Tena tsy takatry ny saiko mihitsy hoe fomba ahoana izao no hahafahan'ireo mahantra mpianatra eny amin'ny anjerimanontolo hivanga ny bokin-dry zareo. Mba marina mafy, tena fihetsika tsy mitsinjo ny hoavy.

Izay sisa tavela tamin'ny trano fivarotam-bokin'i Hameedo tao amin'ny Lalan’-ny Mpaminany Danial ao Alexandria taorian'ny bemidin'ny polisy. Saripika nozarain'i Heba Farooq tao amin'ny Twitter
Heba Farouk Mahfouz manazava hoe :
Mizara ity saripika ity izy, etsy ankavanana, avy amin'ilay famotehana.
Waleed mibitsika hoe :
Ary i Wael Barakat mivazivazy hoe :
Raha i Ahmed Elsawy kosa manontany hoe :
Maro ireo nanakiana ampahibemaso ny Firahalahiana Silamo, izay mpikambana avy ao aminy i Mohamed Morsi filohan'i Ejipta ankehitriny.
Anas Abdelazeem mamaly henjana hoe :
@anasabdelazeem: Mampihomehy ny fiheverana ny famotehana boky tao amin'ny [làlana] Mpaminany Danial ho toy ny fanafihan'ny Firahalahiana Silamo ny kolontsaina satria dia zava-doza miverimberina mitohy izany
Ho an'ireo fanehoan-kevitra bebe kokoa ao amin'ny Twitter, araho ity tenifototra [Ar] ity.
Ahmed Rock dia mizara saripika taorian'ilay bemidina, ao amin'ny pejiny Facebook eto.