- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Karaiba: Fanamarihana ny Fanafahana ny Fanandevozana

Sokajy: Karaiba, Barbady, Goiana, Jamaika, Trinite sy Tobago, Fitantanam-pitondrana, Foko sy Fiaviana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Tantara, Zavakanto & Kolontsaina

Maro amn'ireo firenena Karaiba androany no mankalaza [1] ny Andron'ny Fanafahana tamin'ny fanandevozana [2], izay ahatsiarovana ny fanafoanana ny fanandevozana [3]. Isan-taona, manamarika ilay vanim-potoana ireo mpitoraka bilaogy [4], fa tamin'ity taona ity, saika ambany ny fifantohan'ny saina tety anaty aterineto momba io fialantsasatra io, raha azo isaina aminny rantsan-tànana fotsiny ny mponina amin'ny aterineto milaza izany eo amin'ny lahatsorany na eo amin'ny bitsiny [5].

Avy any Guyana, namerina naneho ny Filazana ny Andron'ny fanafahana amin'ny fanandevozana [6] nataon'ny Filoha i Demerara Waves, raha toa kosa ny mpiray vodirindrina aminy i Barbados Free Press [7], mihevitra fa mety kokoa ny “mivavaka ho an'ireo olona an-tapitrisany izay mbola voatàna ho andevo” amin'ny alalan'ny fivarotana olona.

Nahatsapa ny mpitoraka bilaogy Jamaikana diaspora, Geoffrey Philp fa androany no fotoana tena tsara hiresahana izao resaka izao [8] mba hanafahana an'i Marcus Garvey [9], ary hamahanana ny rakitsarin’ [10] i Bob Marley manao ny Redemption Song mba ho fahatsiarovana ny “profetantsika”.

Any Trinidad sy  Tobago, namerina naneho indray lahatsorany ‘Fanafahana amin'ny fanandevozana’ [11] i Afra Raymond, izay nivoaka tamin'ny sokajy fandraharahana taoa min'iray tamin'ireo gazety mpivoaka isan'andro tamin'ny 2009. Nohariny ity lahatsoratra ity ho toy ny ” andrana amin'ny tolona miaraka amin'ireo antony sy vokatra tsy misy milaza” amin'ny loza ateraky ny CL Financial [12] sy ny toe-karena Hindu Credit Union [13] ary manome soso-kevitra izy manao hoe:

Raha ny hevitro dia mifototra avy amin'ny olantsika avy amin'ny foko ny ampahany lehiben'ireto tantara roa mifandray ireto – ny CL Financial sy ny faharavan'ny HCU. Mety ho hadisoana goavana ny manala ny resa-poko raha miezaka mahazo ireo krizy ireo.

Tsy nanam-potoana ny hidirana lalina amin'ny asan'ny foko amin'ny resaka HCU aho, ka ity no atolotro mifandray amin'ny CL Financial sy ny fankalazana ny Andron'ny Fanafahana ny fanandevozana antsika Afrikana…