- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Libanona: Ny Fizahan-Tany No Mandoa Be

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Bahrain, Emirà Arabo Mitambatra, Katara, Koety, Libanona, Ady & Fifandirana, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Tsidika

Tsy manana loharanon-tsolika sy fitrandrahana ambanin'ny tany Libanona. Eo amin'ny lafiny ara-jeôgrafia dia tena kely tsy mahavita tena ara-pambolena izy. Ary ny làlan-tokana hiveloman'ny firenena dia ny sehatry ny fonolorana tolotra, indrindra fa ny fizahan-tany, raha sy rehefa avelan'ny politika.

Nefa tsy nanam-bintana Libanona tamin'io sehatra iray io. Nopotehan'ny ady an-trano nandritra ny 30 taona izy, izay nampandositra ireo mpizaha tany. Taorian'izay rehefa nanandrana nisintona mpitsidika ho any amin'ny tanin’ i Cedars, na ny Tandrefana na ny Arabo, ry zareo Libane, dia loza ho azy ireo  fa tonga zava-poana daholo ny ezaka rehetra natao hampandrosoana ny sehatry ny fizahan-tany.

Ireo fiantraikany amin'ny fizahan-tany

Cedar trees in the snow, Bcharre, Lebanon. Image by Flickr user Leandroid (CC BY-NC 2.0). [1]

Hazo Cedar anaty fanala , Bcharre, Libanona. Sary avy amin'i Leandroid mpampiasa Flickr (CC BY-NC 2.0).

Ireto ny zava-niseho vao haingana izay nisy fiantraikany tamin'ny sehatry ny fizahan-tany Libane : ny famonoana ny Praiminisitra Libane teo aloha Rafic Hariri tamin'ny 2005 [2] sy ny famonoana mpanao politika  [3]maro be nifanesy, ny Jolay 2006  [4]ady tamin'i Israely, ny May 2008 fifandrafesana anatiny [5] teo amin'ireo mpanao politika mpanakorontana, ary ny trangan-javatra vaovao amin'ny fizarazarana amin'ny krizy syriana sy ny fiverenan'ny  fakàna olona an-keriny [6] ao an-toerana.

Noho ny fampitandremana ataon'ny masoivoho amin'ireo terataniny handao an'i Libanona, nidina 60 isan-jato [7] ny famandrihan-toerana any amin'ny trano fandraisam-bahiny hatramin'ny faha-14 n'ny volana Aogositra. Tsikaritra ihany koa ny fanafoanana famandrihan-toerana amin'ny fiaramanidina.

Tamin'ny Twitter, nibitsika tamin'ny laharan'ny Masoivoho any Beirut ny Minisitry ny Raharaham-bahinin'ny Emirà Arabo Mitambatra, mamporisika ny terataniny any Libanona hanatona ny Masoivohony mba hiarovana ny fampodiana azy ireo haingana an-taniondrazana : [ar]:

لمواطني الدولة المتواجدين حاليا في لبنان التواصل مع سفارة الدولة في بيروت على الرقم009611857000 أو بادارة العمليات على الرقم00971600599991
@MOFAUAE  [8]Ho an'ny teratany avy any Emirà Arabo Mitambatra any Libanona ankehitriny, antsoy amin'ity laharana ity () ny Masoivoho any Beirut  azafady na amin'ny  …

Misaona ny fotoanan'ny fizahan-tany ireo Libane mpiserasera amin'ny aterineto. Malahelo i Najib avy amin'ny Bilaogy Baladi [9] :

Raha atambatra, heveriko fa ity no lohataona ratsy indrindra nolalovanay teto Libanona nandritry ny 10 taona, ary mbola ratsy noho ny tamin'ny 2006. Tena mampalahelo mihitsy indrindra fa ampian'ireo zava-misy eto amin'ny firenena.

Fintinin'i Rawad Khoueiry ao amin'ny Twitter ny toe-draharaha :

@rawadkhoueiry [10]: Fizahan-tany amin'ny lohataona any Libanona : Jiro tapaka, ny Elatra Miaramilan'i Mokdad, Làlana mankany amin'ny seranam-piaramanidina Tapaka, Poa-basy any amin'ny Sisintany Avaratra

Wael Abou Diab dia manazava ny antony [ar]:

#بيروت تعاني …فنادق فارغة و سياحة شبه معدومة و الأسباب أمنية إقليمية عشائرية
@Waelad [11]: Mijaly i Beirut. Trano fandraisam-bahiny foana, toy ny tsy misy ny fizahantany. Ny antony dia mifandray amin'ny ara-pivavahana, ara-paritra ary ny fitsitokotokoana.

Nefa toy ny mahazatra dia eo foana sy nahatohitra ny olana rehetra ny fahaizan'ny Libane mandray am-pitsikiana ny zava-miseho. Mino i Ralph Nader fa ny habetsahana izay tsy izin'ireo Syriana mpialokaloka any Libanona no fanafan'ny fatiantoka ho an'ireo teratanin'ny Golfa.

@Aamchit [12]: Miha-mandroso ny fizahantany any Libanona. Avy any Damaskosy,Tartous, Homs, Aleppo, Deir El Zor ary tanàna maro hafa ireo olona tonga. #irony (eso)

Nanjary toy ny karazana tsy fahita firy ny mpizaha tany any Libanona ka nahagaga an'i Bechara.

@BouCha2ra [13]: Vinavinao inona ?! Nahita mpizaha tany aho omaly! \m/ O.o #Lebanon

Mbola maneso ihany koa i Zeina Mhanna :

@MissZenaH [14]: Nitondra mpizaha tany Turc aho androany…  natoroko  làlana izy mba hiarovany ny tenany amin'ny fangalàna vahiny an-keriny aty #Libanona

Nitsidika an'i Istambul i Wajih ary izao no hanetsiketsehany ny sehatry ny fizahan-tany amin'ny fireneny :

@neruda906 [15]: Nisy niteny tany amin'ny Ministry ny fizahan-tany fa manao asa goavana aho aty, mandresy lahatra ny olona rehetra mifanena amiko aho mba tsy hitsidika an'i Beirut 🙂 #Lebanon

Ny Hevitry ny Mpiserasera amin'ny Aterineto avy any Golfa

Voile Bleue beach in Jbeil, Lebanon. Image by Flickr user  Haole Punk (CC BY-NC-SA 2.0). [16]

Tora-pasik'i Voile Bleue  any Jbeil, Libanona. Sary avy amin'i  Haole Punk mpampiasa  Flickr (CC BY-NC-SA 2.0).

Noho fampihorohoroan'ny antokon'ny Al Mekdad haka azy ireo an-keriny, dia diso fanantenana ireo teratany avy any Golfa. Maktoum Bin Butti, avy any Emirà arabo Mitambatra dia manamarika :

@Makoumbinbutti [17]: Ny firenena mpikambana ao amin'ny GCC dia manohana ara-bola an'i Libanona ary manetsiketsika ny fizahantanin-dry zareo & setrin'izany alaina an-keriny ry zareo #awkward#GCC

AbdulRahman Al Haji dia miantso  ireo mpiray tanindrazana aminy hanao ankivy an'i Libanona [Ar] :

من اليوم فصاعداً يا سواح الخليج قاطعوا لبنان بروحهم دولة دايخة قاطعوهم قاطعوهم
@alhajji1963 [18]: Manomboka izao, ry mpizaha tany avy any Golf, ataovy ankivy i Libanona, fanjakana tsy milamina. Ataovy ankivy izy ireo . Ataovy ankivy izy ireo.

Borzou Daraghi, iraky ny Financial Times any MENA, dia mihevitra fa Jordania sy Tiorkia no hahazo tombony bebe kokoa vokatry amin'ny zava-mitranga any Libanona

@Borzou [19]: miaraka amin'i #Syria, #Egypta ary ankehitriny #Libanona ilaozan'ny mpizaha tany Arabo mpanankarena avy any Golfa dia sahiko ny miloka fa #Turkey & #Jordan no handroaka ny vola be