Mitombo be ireo hetsi-panoherana any amin'ireo tany Palestiniana, indrindra fa any amin'ireo tanàn-dehibe any amin'ny faritr'i Cisjoprdanie : Hebrona, Ramallah, Betlehema ary Naplouse.
Maneho ny hatezerany amin'ny Manampahefana Palestiniana ireo mpanao hetsi-panoherana, noho ny halafon'ny vidim-piainana sy ny taha avoben'ny tsy fisian'asa ho an'ireo tanora Palestiniana.
Nanomboka ireo hetsi-panoherana ireo taorian'ny nanambaràn'ny Manampahefana Palestiniana ny fiakarana 8% amin'ny vidin-dasantsy sy solika fandrehitra any Cisjordanie amin'ny Septambra. Nisy avy hatrany ny fidanganan'ny vidin-javatra, nefa tsy nisy na kely akory aza fiakaran'ny karama na vola miditra nanerana ny tany Palestiniana.
Nanatri-maso hetsi-panoherana iray tao Hebrona i Aban Idrees ary nibitsika hoe :
Ola Al Tamimi, bilaogera, dia nibitsika ihany koa avy ao Hebrona :
Ola nanampy hoe :
Hafez Omar, Palestiniana iray mafàna fo sady mpanakanto, dia nibitsika hoe :
Tondraky ny teny faneva mahatsikaiky avy amin'ireo Palestiniana mpanao hetsika ihany koa ny Twitter. Rana Baker nibitsika hoe :
Sorabaventy iray hafa no nalain'i Lamees Suradi saripika :
iPalestine, mpampiasa Twitter, dia nibitsika mikasika ny andrana saika handoro tena nataonà lehilahy iray antsoina hoe Hussein Qahwaji:
Ny tatitra sasany nilaza fa mararin'nyhomamiadana ilay zanakavavin'i Qahwaji, ary raha ny marina dia manaraka fitsaboana any Jordania, ary tsy ho vitany intsony ny hamangivangy azy any.
Tranga voalohany nahitàna Palestiniana nampiasa ny fandoroana tena ho endri-panoherana ity. Ny 2 Septambra, Ehab Abu al-Nada, 17 taona, dia maty nandoro tena tao Gaza, angamba ho fakàna tàhaka ilay Toniziana Mohamed Bouazizi. Ehab Abu al-Nada dia nandao ny sekoly ary niasa nandritra ny telo ambinifolo ora isanandro aminà karama 30 sekely monja (eo amin'ny US$7.4) mba hanampiany ny rainy amin'ny fandaniana ao anatin'ny fianakaviany.
Nahasarika ny sain'ny maro ilay zava-nitranga, indrindra taorian'ny nivoahan'ny sary iray an'ilay mpitarika ny Hamas, Ismail Haniyeh niaraka tamin'ny rain'i Ihab ; nitsidika azy i Haniyeh hanome azy ” fanampiana vonjy taitra ” mitentina US$2000 taorian'ny nahafatesan'i Ehab.
Beny nanontany tena raha hitohy ity hetsika vaovao ity, ary raha hihanaka any amin'ny tanàm-dehibe hafa izy ity. Nanontany i John Lyndon hoe :
@johnlyndon1: Fandoroana tena tao Gaza; Sariben’ Fayyad dorana ao Hebrona; hetsi-panoherana saika amin'ireo tanàna lehibe any Cisjordanie. Tara loatra ve ny fahatongavan'ny lohataona aty #Palestine?