Maraoka: Lany Andro Ve Ny “Lanonam-panòavana” ?

Ny “bay'a” no anaran'ilay lanonam-panoavana fanao isan-taona izay hanambaran'ireo olo-manan-kaja “dignitaires” manerana an'i Maraoka ny fanoavany na ny fanekeny ny Mpanjaka Mohammed VI. nilaza ny mpitsikera [fr] fa “lanonana mahamenatra sy karazana efa lany daty izao,” ireo nankasitraka kosa nilaza fa mametraka fifanekena an'ohatra eo amin'ny vahoaka Maraokanina sy ny mpitondra izao.

Tamin'ny fiandohany, hetsika fanòavana izay ho mpandimby ny Mpaminany Mohammed ny bay'a. Nanambara ny Mpanjaka Maraokanina fa izy no taranaka [mpandimby]  ny Mpaminany ary manana anjara  fahefana avy amin'izany tetiarana masina izany.

Abdelilah Benkirane no praiminisitra am-perinasa. Taminà fanambarana nataony tamin'izy mbola tao anatin'ny mpanohitra, nofaritany ho toy “fomba mahamenatra’ sy “zavatra efa taloha” ny bay'a, izay niteraka resabe, hanapa-kevitra hanemotra ny lanonana amin'ity taona ity ve ny Mpanjaka?

Na dia teo aza ny  fahadisoam-panantenana lehibe teo amin'ireo mpanohitra ny bay'a, tontosa tsara tamin'ny Talata 21 Aogositra teo ihany ny lanonana (lahatsary nalefan'i hespresslive):

 

Manaraka arofenitra henjana ny bay'a, izay manery ireo olona ambony sy olom-boafidy mampahafantatra ny tenany amin'ny Mpanjaka. Ny Mpanjaka, miakanjo ambony lokombolamena, mitaingina soavaly, arovan'ireo mpiambina manokana, voaharo amin'ny elo ihany koa izy, izay araka ny hevitry ny mpitsikera, fa mariky ny kosmokonika ny fanjakana. Miankohoka eo anatrehany arak'izany ireo olo-manan-kaja ka mivavaka mafy eo amin'ny sary vongany toy ny “lehiben'ny mpino Silamo (kalifa),” alohan'ny ialàna am-panajana.

Maro ireo manaraka ny hetsika ao amin'ny Twitter tahaka an'i OnlyZineb izay ni-tweet hoe:

Mandeha amin'izao fotoana izao ny lanonam-panoàvana mahamenatra ao Maraoka, miankohoka eo anoloan'ny Mpanjaka toy ny andevo manoloana ny mpanompony ireo olo-manan-kaja #TwittoBayaa

Tao amin'ny Facebook, vahoaka maherin'ny 1,000 no nifanaiky hivory amin'ny Zoma, ny ampitson'ny bay'a, mba hanao “lanonana mendrika an-kalamanjana ho an'ny fahafahana sy ny fahamendrehana”.

Nanoratra toy izao ny mpikambana iray tao amin'ny antoko:

Efa vonona amin'ny lanonana hafa ao Maraoka aho, lanonana hafa izay hanambarako ny fanòavako feno ho an'ny vahoaka Maraokanina. Ho ataoko am-panajana tsy azo hozongozonina izany, miaraka amin'ny fahatsapan-tena amin'ny maha-olom-pirenena Maraokanina feno ahy ary amin'ny maha olo-mendrika ahy; hanao izany tahaka ireo olo-pirenena afaka, mitsangana, mahitsy, afa-po sy mendrika aho

Nahasosotra an'ilay mpamahana bolongana ihany koa ilay fombafomba, hoy i Labri nanoratra:

Mardi […] lorsque les images des prosternations feront le tour du monde, beaucoup de Marocains vivront l’instant comme un moment d’humiliation nationale.

Ny Talata, rehefa mahenika izao tontolo izao ny sary misy ilay fiankohofana, Maraokanina marobe no hiaina izany ho toy ny fahafaham-barakam-pirenena.

Reda nanohitra izany kosa. Hoy izy nanoratra [fr]:

je [me prosterne] a chaque fois que je rencontre mes parents […] sans que cela ne soit accompagne d’aucune dégradation a ma personne [certains esprits trop occidentalisés y verront de l'humiliation pas moi]

Miondrika miankohoka aho isaky ny mihaona amin'ny ray aman-dreniko, kanefa tsy misy fanalam-baraka ny tenako mihitsy ao anatin'izany [ireo manana fisainana mirona loatra amin'ny fisainana tandrefana no mahita izany ho fanalam-baraka fa tsy izaho].

Fomba manana vesatra politika goavana ny bay'a. Mametraka ambaratongam-pifandraisana ahitana ny mpanjaka miteronterona eo amin'ny faratampony izany. Mihevitra i Ahmed fa fampatsiahivana ny fifandraisana misy eo amin'ny vahoaka sy ny mpanjaka manana ny fahefana feno tsy terena hitatitra izay nataony izany. Hoy izy nanoratra [ar]:

أعتقد أن محمد السادس أضاع على نفسه فرصة عند توليه “العرش” عند مشارف القرن الواحد والعشرين، أن يكون “ملكا مواطنا”، بقطع تلك العادات المشينة بكرامة الإنسان من ركوع وتقبيل اليد وأيضا ألقاب التعظيم والتمجيد..

Mieritreritra aho fa nisy zava-dehibe noadinoin'i Mohammed VI, tamin'ny fahatongavany teo amin'ny fahefana teo ankatoky ny taon-jato faha-21, hanaovany ho “mpanjaka olom-pirenena”, hialàna amin'ny fombafomba mahamenatra, ny fiankohofana, ny fanorohan- tànana ary ny fametrahana azy ho zavatra fivavaka…

Mikasika ny vaovao farany momba ny “lanonana” hafa karakarain'ireo mpikatroka eo anoloan'ny antenimiera Maraokanina, araho ny tenifototra #TwittoBayaa ao amin'ny Twitter.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.