Aogositra, 2012

Tantara tamin'ny Aogositra, 2012

Kolombia: 13 Taona Taorian'ny Namonoana An'i Jaime Garzón

  20 Aogositra 2012

Nisy namono tamin'ny 13 aogositra 1999 ny mpanao gazety, mpahay lalàna ary mpandala ny fandriampahalemana Kolombiana Jaime Garzón Teloambinifolo taona taty aoriana mbola tsy voavaha ny raharaham-pamonoana an'i Garzón. Mahatsiaro an'i Garzón ny Kolombiana ary mitaky ny rariny isaky ny andro ahatsiarovana ny namonoana azy.

Azo iainana Tsara Ve Any Amin'ireo Tanan-dehibe Afrikana ?

  20 Aogositra 2012

Fanadihadiana iray nataon'ny The Economist Intelligence [en] momba ireo tanàn-dehibe eran'izao tontolo izao azo iainana tsara (ny tatitra manontolo amin'ny endriny pdf) , no manolotra hoe amin'ireo tanàna 10 sarotra iainana indrindra eto ambonin'ny tany, 6 no aty Afrika. Kanefa, misy fandaharana iray hafa mampiseho fa sambatsambatra kokoa any amin'ny firenena afrikana sasantsasany noho ny any amin'ny firenena eoropeana maro

Paragoay: Tolona Sy Fandrahoana Mahazo Ny Tanin'ireo Teratany Aché

Rising Voices  20 Aogositra 2012

Noheverina ho iray volana fitàran'ny firavoravoana ny volana Aogositra taorian'ny namindràn'ny governemanta Paragoaiana tany eo amin'ny 4600 hektara tamin'ny tanindrazany naverina tamin'ny vondrom-piarahamonin'ireo Aché ao Kuetuvy. Kanefa, mbola misy fifandirana ifanaovana amin'ireo vondrona tantsaha izay milaza fa tokony notapahana tamin' ity tany ity no nanembantsembana ity fotoam-piraovravoana ity.

Libya: Lanonana Fifamindram-Pahefana Nakorontan'ny Resaka Hijab

Nisy olana nanamaloka ny lanonam-pamindram-pahefana teo amin'ny Filankevi-Pirenena Tetezamita Libyana sy ny mpikambana 200 vao voafidy ao amin'ny Kongresim-Pirenena ankapobe: Ny mpiandraikitra ny arofenitra tamin'io fotoana io dia vehivavy mpanolo-baovao tsy manao voaly Sarah Elmesallati, izay nodidiana handao ny sehatra rehefa nivoaka tao amin'ny lanonana ny mpikambana parlemantera Islamista iray...

Pakistana: Mitohy Ny Famonoana Ikendrena Ny Shiita

  20 Aogositra 2012

Ny 16 Aogositra 2012, nisy olona mitam-piadiana nanakana fiabe mpitatitr'olona tao Mansehra, nisintona Silamo Shiita 20 ary namono azy ireo an-kitsirano. Tranga fahatelo nikendrena ny vondrom-piarahamonina Shiita tao Pakistana io tato anatin'ny 6 volana. Mpikirakira aterineto no manamarika hoe : "Eritrereto raha hoe notanterahana tao anaty fandrindrana maty paika ny famonoana ireo voalohany nokendrena tao #Pakistan, mety tsy ho nisaona ny tao #gilgit akory isika androany!"

Arabia Saodita: Notsamborina Andron'ny Idy Ilay Mpikatroka Reema Al Joresh

Nosamborina androany vao maraina [19 Aogositra 2012] ilay mpikatroka Saodiana sady mpisera Twitter, Reema Al Joresh raha teny an-dalana handeha hamonjy moske hankalaza ny andron’ny Eid al-Fitr, andro fety Miozolomana manaraka ny Ramadany. Mpitsikera mafana fo noho ny fisamborana tsy amin’ny antony fanaon’ny minisitry ny Atitany i Al Joresh. Fanampin’izany,  efa...

Koety: Ny Vahoaka No Mahalala Kokoa

Naneho ny esoesony momba ny fomba amam-panao taloha be amin’ny fanomezana fahefana feno ho an’ny zokiolona, na ny  Shaikh [Sheikh] ny mpiserasera  Koesiana. Ho famakiana izany fomba amam-panao izany, nisioka tamin’ny alalan’ny tenifototra #الشعب_أبخص‏ [ar], midika hoe “Ny Vahoaka No Mahalala Kokoa” izy ireo. Mpanolotra fandaharana amin’ny televiziona Koesiana iray...